Fahasalamana : tandremo ny manongotra ny volon-korona !
Volo tsy dia manahirana loatra ny volon-korona noho izy ireo miafina anaty lava-korona. Eo amin’ny olona sasany nefa mety ho matevina sy lava kokoa izy ireny ka mipoitra ivelan’ny orona sy hanelingelina ny maso. Tsy tsara nefa ny manongotra ny volon-korina satria mety hisy fiantrakany ratsy izany. Araho eto ary ny antony tsy tokony hanalana ny volon-korina.
Volo sarobidy ho an’ny fahasalamana ny volon-korona
Mitana andraikitra manokana amin’ny fanakanana ny vovoka, ny « pollen » ary ireo karazana loto entin’ny rivotra, tsy hiditra anatin’ny orina ny volon-korona. Izany hoe misivana ny rivotra miditra anaty orona ireo volo ireo mba tsy hisy « allergènes » na otrikaretina ho tafiditra sy hiteraka tsy fahatomombanana na aretina anatin’ny taovam-pisefoana. Ankoatra izay dia manakana antsika tsy hitroka bibikely na zavatra mety hankarary avy eo amin’ny orona izy ireny. Vao misy ireo zavatra voalaza ireo mikasoka amin’ny volon-korona dia lasa mievina ho azy isika mba tsy hidiran’izany anatin’ny orona.
Faritra saropady ny orona
Faritra iray saropady eo amin’ny vatana ny orona ary ahitana lalandrà sy « muqueuses » maro. Ny fampidirana « cire épilatoire » na « pince à épiler » hanongotana volo ao anatiny dia mety hiteraka « infection », indrindra raha tsy voahaja tsara ny fahadiovana. Marina fa tsy voatery hampidina ny hery fiarovana ny « cire », nefa kosa mety hanimba ny « barrière cutanée » ny fampiasana azy ary hampisy fidirana ho an’ny bakteria anatin’ireo « tissus » lalina. Ny fanongotana ny volon-korina ihany koa dia mety hahatonga fahasarotana na aretina eo anivon’ny foton’ny volon-korina, « infection » eo amin’ny hoditra anatin’ny orina, volo tsy mivoaka (poil incarné) …
Inona ary no azo atao manoloana ny volon-korina lava na matevina loatra ?
Raha toa ka manelingelina na tsapa fa manaratsy endrika ny volon-korona matevina na lava loatra dia azo atao ny manety azy ireny. Hety manokana, manify sy kely ny lohany, toy ireo fanapahana ny hohon’ny zazakely no ampiasaina. Tsara ihany koa raha tsy maranitra ny lohany mba hisorohana ny ratra. Ireo volon-korina mihoatra ivelan’ny lava-korona irery ihany koa no hetezana. Raha matevina loatra ny volon-korona ao anaty orona dia azo atao ny manapaka azy ireny amin’ny « mini tondeuse électrique » izay efa natokana ho amin’izany. Tsy atao fohy loatra nefa ireo volo ireo manjary tsy mahavita misivana tsara ny rivotra miditra anaty orona. Tandremana tsara mba fitaovana madio tsara no ampiasaina.