• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fairview
Image
Fahasalamana&Sakafo

Diabeta : mety mitarika fanapahana ny rantsambatana

14/11/2024 08:13 © Moov.Mg

Marihana isaky ny 14 novambra ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny diabeta. Maro tokoa ny olona manana toe-batana diabetika eto amintsika. Raha tsy voatsabo sy voaara-maso tsara ny diabeta dia mety miteraka fahasarotana maro ka anisan’ny mafy indrindra amin’izany ny fanapahana ny rantsambatana, izay matetika ny tongotra. Fa inona no antony hanapahana ny rantsambatana eo amin’ny diabetika ? Inona ny fisorohana azo atao ?

Inona no tokoa ny « amputation » na fanapahana ny rantsambatana eo amin’ny diabetika ?

Mila manaraka fitsaboana, fitandremana ara-tsakafo sy fanaraha-maso ara-pahasalamana ny olona diabetika. Izany no atao dia mba hanakanana ny soritr’aretina tsy hiombo sady hanatsarana ny toe-batany. Araka ny voalaza etsy ambony dia mety mitarika fahasarotana maro tsy fitsaboana sy fanaraha-maso tsara ny diabeta.
Anisan’ireo fahasarotana « grave » ny fanapahana rantsambatana na ny « amputation ». Ny tongotra matetika no voakasik’izany. Miankina amin’ny fahasarotana mitranga ny faritra tapahana, mety izany hatreo amin’ny rantsan-tongotra, ny kitrokely, ny lohalika na ny fe.

Ny antony hanapahana ny rantsambatan’ny diabetika

Misy anton-javatra samihafa mitarika amin’ny fanapahana ny rantsambatana eo amin’ny diabetika. Anisan’izany ny :
-« Neuropathie diabétique », izany hoe ambony be ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà ka manimba ny « nerfs », indrindra ireo ao amin’ny tongotra. Raha izany no mitranga dia lasa donto tsy mahare ireo ratra kely, tataka na « ampoules » ilay marary.
-Fikorontanan’ny fikorian’ny rà. Mety manimba ny lalandrà ny diabeta tsy voatsabo ka mampihena ny fatran’ny rà tonga any amin’ny tongotra. Izany dia manaela ny fahasitranan’ny fery eo amin’ny tongotra ka mety hampihitatra izany ho lasa « infection ».
-« Pied diabétique », izy ity moa dia ny fitambaran’ireo anton-javatra roa voalaza ireo no mahatonga azy. Ireo ratra, na izay tena kely indrindra aza, dia mety hihitatra sy hitarika « infection » hatrany amin’ny taolana sy fahasarotana. Raha izany no mitranga dia mila tapahana ilay rantsambatana voakasik’izany hiarovana ny hain’ilay marary.

Ahoana no atao hisorohana ny « amputation » ?

Tsy voatery ho tonga amin’ny « amputation » na ny fanapahana ny rantsambatana avokoa ny olona diabetika. Azo atao tsara ny misoroka izany amin’ny alalan’ny fanarahana tsara ny fitsaboana, fanajana ny sakafo tokony hanina ary indrindra ny fikarakarana tsara ny tongotra raha misy diabeta. Misy ihany koa ireo torohevitra hafa manampy toy ny hoe :
-Arahina maso hatrany ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà (glycémie) mba hisorohana ny fahasarotan’ny diabeta ;
-Jerena tsara ny tongotra roa isan’andro sao misy tataka, « ampoules », ratra, mivaramena na mivonto ;
-Kiraro mampahazo aina sy miaro tsara ny tongotra no hanaovana. Fadiana ny kiraro tery na ireo mety mikosokosoka ny tongotra ;
-Manantona mpitsabo avy hatrany raha misy zavatra mampanahy miseho eo amin’ny tongotra. Raha mbola tsy misy fahasarotana dia mety hatreo amin’ny rantsan-tongotra ihany no tapahana.

Lire la suite

Articles Similaires