Fanesorana ny tranon-jaza na « hystérictomie », ‘ndeha ho resahana !
Fandidiana iray efa mahazatra sy voafehin’ny mandidy tsara ny fanesorana ny tranon-jaza na ny « hystérectomie ». Mbola maro nefa ireo vehivavy mitebiteby sy mametra-panontaniana mikasika azy ity. Andeha ary ho resahana eto ny atao hoe « hystérectomie », ny antony hanaovana azy io, ny fizotrin’ny fandidiana sy ny mety ho fiantraikany.
Inona no atao hoe « hystérectomie » ?
Ny « hystérectomie » dia ny fanesorana ny tranon-jaza. Izany hoe fandidiana iray mifantoka amin’ny fanesorana ny tranon-jaza ary indraindray mety miaraka amin’ny fanesorana taova hafa anatin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy toy ny « ovaires » na ny « trompes ». Arak’izany dia misy karazany maro ny « hystérectomie » :
-Ny « hystérectomie totale » izay fanesorana tanteraka ny tranon-jaza miaraka amin’ny vozon’ny tranon-jaza ;
-Ny « hystérectomie subtotale » izay fanesorana ny tranon-jaza ihany ka ny vozon’ny tranon-jaza avela ao ;
-Ny « hystérectomie radicale », izany hoe esorina ny ny tranon-jaza, ny vozon’ny tranon-jaza, ny ampahan’ny amin’ny taovam-pananahana ary indraindray ny « ganglions lymphatique ».
Ireo antony mahatonga ny fanaovana « hystérectomie »
Maro ireo antony mety mahatonga ny vehivavy atao « hystérectomie » na fanesorana ny tranon-jaza ka anisan’ny mateti-pitranga ny :
-« Fibromes » izay fibontsinana eo amin’ny hozatry ny tranon-jaza ka mety mitarika fahaverezan-drà be, « douleurs pelviennes » na koa « problèmes urinaires » ;
-« Endométriose » izay aretina iray nohon’ny fitombon’ny « tissus de l’endomètres » ivelan’ny tranon-jaza ka miteraka fanaintainana mafy ;
-Homamiadana eo amin’ny tranon-jaza, vozon’ny tranon-jaza na « ovaires » ;
-« Prolapsus utérin » izay fidinan’ny taova iray, toy ny tranon-jaza, tatavy…, ao amin’ny toerana tsy tokony misy azy, toy ny hoe ao amin’ny fivaviana ;
-« Douleurs pelviennes » na fandehanan’ny ivelan’ny fadim-bolana matetika sy tsy fantatra mazava ny antony.
Ahoana ny fizotry ny fandidiana hanesorana ny tranon-jaza ?
Maro ny fomba azo anatanterahana ny « hystérectomie ». Azo atao eo avy eo amin’ny kibo, avy any amin’ny fivaviana na koa amin’ny alalan’ny « laparoscopie » izay fandidiana kely sy fampiasana « caméra ». Miankina amin’ny lafin-javatra maro moa no isafidianan’ny mpandidy ny fandidiana atao, toy ny haben’ny tranon-jaza, ny antony hanaovana ilay fandidiana, ny traikefan’ilay mpandidy…
Ireo mety hitranga aorian’ny fandidiana
Ny fanesorana ny tranon-jaza dia mampijanona tanteraka ny fandehanan’ny fadim-bolana sy ny fahafahan’ilay vehivavy mitoe-jaza. Ankoatra izay dia misy ireo fiantraikany hafa izay miseho miankina amin’ireo taova nesorina. Anisan’izany ny :
-« Bouffées de chaleur » raha toa ka nesorina niaraka tamin’ny tranon-jaza ny « ovaires » ka lasa nahatonga aloha be ny « ménopause » ;
-Fiovana eo anivon’ny fananahana, misy amin’ireo vehivavy natao « hystérectomie » no lasa mahatsapa fahamainan’ny fivaviana na fanaintainana rehefa miray ara-nofo.