• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bijoux-Argent.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « allergies » amin’ny firavaka

14/10/2024 16:07 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona tsy mahazaka firavaka na manao « allergie » amin’ny firavaka. Matetika moa dia ireo karazana firavaka vita amin’ny vy, ny varahana na koa ny « nickel » no tena maro tsy mahazaka. Fa inona no mahatonga izany « allergie » amin’ny firavaka izany ? Ahoana ny fisehony » ? Inona ny vahaolana azo atao ?

Ny antony mahatonga ny « allergie » amin’ny firavaka

Ny antony lehibe mahatonga ny « allergie » amin’ny firavaka dia ny fiofoan’ilay akora nanaovana ilay firavaka, izany hoe ny vy, ny varahana na ny « nickel ». Rehefa miofo ilay firavaka dia mamoaka « ions » ka rehefa mikasoka amin’ny hoditra ireto farany dia lasa miaro-tena ny hoditra. Heverin’ny vatana ho bakteria na viriosy ireo « ions » ireo ka lasa miasa ny hery fiarovana ka mahatonga ny « réactions allergiques ».
Araka ny voalaza teo ambony dia ny vy, ny varahana sy ny « nickel » no tena mampisy « allergie ». Misy fotoana ihany koa nefa misy ireo tsy mahazaka firavaka volamena na volafotsy. Raha ny marina dia tsy ireo akora ireo no mampisy « allergie » fa ny « nickel » afangaro aminy ho « alliage ». Ny « nickel » no mety miofo sy mamoaka « ions » ka tsy zakan’ny hoditry ny olona sasany. Amin’ny ankapobeny dia ny vehivavy no tena manao io « allergie » io fa mety hanao izany ihany koa nefa ny lehilahy.

Ny fomba fisehon’ny « allergie » amin’ny firavaka

Tsy voatery mitovy ny fisehon’ny « allergie » amin’ny firavaka eo amin’ny olona tsiraray. Miankina amin’ny toe-batan’ny olona sy ilay karazana « allergène » miasa no hisehon’izany. Anisan’ireo fambara fahita ny hoe :
-Miofakofaka na mivoaka mandrotsirotsy ny hoditra ;
-Mangidihidy be ny faritra ikasohan’ilay firavaka ;
-Mivaramena ny manodidina ilay faritra misy firavaka tsy zaka ;
-Mivonto manodidina ilay faritra misy ilay firavaka.

Ny vahaolana manoloana ny tsy fahazakana firavaka

Raha mahatsikaritra ny iray na ny maro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila esorina aloha ilay firavaka mampisy « allergie ». Matetika dia afaka ho azy ilay mivaramena sy ilay mandrotsirotsy eo amin’ny hoditra afaka andro vitsy.
Mba ampitoniana ilay faritra nisehon’ny « allergie » dia azo atao ny mametapetaka compresse nolemana rano mangatsiaka eo amin’izany. Tsara ihany koa ny manantona mpitsabo mba ahazoana ny fanafody manasitrana io « allergie » io malaky kokoa.
Mba hisorohana izany moa dia ny tsara indrindra dia tsy manao ireo karazana firavaka tsy zaka ireo intsony. Misy ihany koa nefa ny vahaolana (tsy maharitra) azo atao, toy ny fanosorana vernis tsy miloko (transparent) amin’ilay faritra mikasoka amin’ny hoditra eo amin’ilay firavaka. Ohatra ny ambadiky ny tahon’ilay famantaranandro izay mifampikasoka mivantana amin’ny hoditra.

Lire la suite

Articles Similaires