• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Spécialiste
Image
Fahasalamana&Sakafo

10 oktobra : Andro erantany ho an’ny fahasalaman’ny saina

10/10/2024 14:22 © Moov

Marihana amin’ity 10 oktobra ity ny andro erantany ho an’ny fahasalaman’ny saina. Atao hoe salama saina ny olona iray rehefa mananana fitoniana ara-tsaina, mahavita mifehy ny toe-po sy miatrika ireo sedram-piainana. Arak’izany, tsy hoe rehefa tsy misy aretin-tsaina ny olona iray dia azo lazaina hoe salama ara-tsaina. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Inona no maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny saina ?

Zava-dehibe ho an’ny olona rehetra ny fahasalaman’ny saina. Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fisainana, ny toe-po ary eo amin’ny fihetsika izy io. Rehefa salama tsara ny saina dia mahavita miasa tsara, mahay mifandray kokoa amin’ny hafa ary mahavita mankafy ny fiainana ninonino zava-mitranga.
Raha toa kosa tsy salama ny saina, na atao hoe misavorovoro, dia mety hisy fiantraikany ratsy maro toy ny famoizam-po, ny famonoan-tena, ny tsy fahavitana miasa ara-dalàna, ny disadisa amin’ny olona hafa (havana, namana, mpiara-miasa…), ny fiankinandoha amin’ny taoka na ny zava-mahadomelina… Miantoka tanteraka ny fahafahana mankafy ny fiainana sy ny fahafahana miaina an-kafaliana izany ny fahasalaman’ny saina.

Ireo fambara ahafantarana fa marefo ny fahasalaman’ny saina

Tsy mora matetika ny mamantatra ny olona marefo ny fahasalaman’ny saina. Misy kosa nefa ireo fambara tokony hanaitra, anisan’izany ny :
-Fiovana be eo amin’ny toe-po, izany hoe mahatsapa alahelo lalim-paka sy maharitra, kizitina, mitebiteby lava… ;
-Ratsy torimaso na sahirana mifantoka ;
-Tsy mahita fahafinaretana amin’ireo zavatra tiana taloha, toy ny fialamboly… ;
-Lasa malain-komana na mazoto homana be loatra ;
-Manana fieritreretana miiba matetika ;
-Mahatsiaro tena ho irery.

Ireo lafin-javatra mety manakorontana ny fahasalaman’ny saina

Maro ireo lafin-javatra mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny ny fahasalaman’ny saina ka anisan’izany ny :
-Fototarazo. Misy amin’ireo toetra mahaolona na ireo « prédispositions » mety mahatonga ny olona iray ho mora andairan’ny fikorontanana ara-tsaina ;
-Ireo olona ifaneraserana amin’ny andavanandro, toy ny fianakaviana, ny namana, ny mpiara-miasa… ;
-Ny fomba fiaina amin’ny ankapobeny, toy ny sakafo, ny torimaso, ny fanatanjahantena, ny fisotroana toaka na ny fandraisana zava-mahadomelina…

Ireo torohevitra hikolokoloana ny fahasalaman’ny saina

Maro ireo fomba atao hikolokoloana ny fahasalaman’ny saina. Anisan’izany ny :
-Firesahana sy fizarana ny toe-po amin’ny olona akaiky ny tena na hanana fitokisana, ny mpitsabo manokana (psychologue) ;
-Fanaovana fanatanjahantena mba hampihena ny rarintsaina ;
-Fahampiana torimaso ;
-Fifehezana ny rarintsaina amin’ny alalan’ny « méditation » na ny « respiration profonde » ;
-Fifaneraserana amin’ireo olona manana fisainana sy toetra miabo ;
-Fihinanana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana mba hanomezana ny atidoha ireo otrikaina rehetra ilainy.

Lire la suite

Articles Similaires