• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Courrier Du Dentiste
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « tartre dentaire »

09/10/2024 08:38 © Moov.Mg

Zavatra fahita eo amin’ny nify ary manaratsy endrik’izany tokoa ny « tartre dentaire ». Tsy inona moa ireto farany fa ireo zavatra matevita, matetika miloko mavo, miraikitra eo amin’ny foton’ny nify. Tsy afaky ny borosy nify izy ireny fa mila esorina any amin’ny mpitsabo nify. Alohan’ny atongavana amin’izany nefa dia ireto misy torohevitra vitsy hanesorana sy hisorohana ny « tartre dentaire ».

Fa inona tokoa moa ny mahatonga ny « tartre dentaire » ?

Ankoatra ny fanaratsiana ny endriky ny nify dia maro ireo fiantraika ratsin’ny « tartre dentaire ». Mety mahatonga areti-nify na aretin’ny hihy, mampiongotra ny nify, maharatsy ny fofombava… izy ireny rehefa mihabetsaka sy tsy esorina. Maro ireo antony mety mahatonga ny « tartre dentaire » sy mampirongatra azy ireny, ka anisan’izany ny :
-Toe-batana mora mahatonga ny « tartre dentaire ». Misy tokoa ireo karazan’olona mora misy azy ireny noho anton-javatra ao aminy manokana toy ny firafitry ny rora, nify malemy, firafitry ny nify mikorontana, fikorontanan’ny hormonina ;
-Fahazaran-dratsy eo amin’ny andavanandro toy ny fihinanana zavatra mamy be loatra, fisotroana zava-pisotro mamy matetika, fifohana sigara, fisotroana zava-pisotro mandoko ny nify toy ny kafe, fihinanana zavatra misy « colorants » matetika ;
-Tsy fiborosiana tsara ny nify.

Ireo fomba atao hanesorana ny « tartre dentaire »

Raha mbola vao mipoitra na mbola manify ny « tartre dentaire » dia mbola azo atao ny manala azy ireny samirery ao an-trano. Isan’ny torohevitra mandaitra tsara atao indray mandeha isan’andro ary ity atoro manaraka ity. Mila ampiarahana amin’ny fanadiovana tsara ny nify isan’andro moa izany mba ahazoana vokatra tsara.
Toy izao manaraka izao ary ny fomba atao :
-Afangaro anaty bol ny karibonetra 1 sotro fihinanana sy ny sira ½ ny sotro fihinanana.
-Lemana ny borosy nify ary atsoboka ao anatin’io fangaro io.
-Kosehana amin’io borosy nify io mandritra ny 3 minitra ny nify.
-Kobanina amin’ny rano ny vava. Avy eo manao ahontsana amin’ny rano matimaty nasiana ranona voasary makirana 1 sotro fihinanana.
-Lasa malemy ilay « tartre dentaire » rehefa tratr’ilay karibonetra, sira sy ranona voasary makirana. Amin’io fotoana io dia esorina moramora amin’ny « cure-dent » amin’izay. Tsy kikisana mafy be terena hiala fa manjary mandratra ny hihy. Averina atao ny herinandro manaraka raha mbola misy tsy afaka.
-Hamaranana ity fikarakarana ity dia kobanina amin’ny rano matimaty nasiana jirofo singany 5 izay navela nilona 10 minitra. Ny jirofo dia sady mampitony fanaintainana, manasitrana ny ratra ary miady amin’ny bakteria eo amin’ny nify sy ny hihy.

Torohevitra hisorohana ny « tartre dentaire »

Ny fiborosiana nify tsara indroa isan’andro farafahakeliny no fomba voalohany hisorohana ny fisian’ny « tartre dentaire » eo amin’ny nify. Raha azo atao dia miborosy nify isaky ny avy misakafo. Borosy nify malefaka no ampiasaina ary soloina isaky ny 3 volana mba handaitra tsara. Ankoatra izay dia mila fadiana na ferana ireo fahazaran-dratsy voalaza teo ambony fa mahatonga ny « tartre dentaire ». Marihana fa rehefa lasa be loatra sy matevina ny « tartre dentaire » dia mila esorina any amin’ny mpitsabo nify amin’ny alalan’ny atao hoe « détartrage » izy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires