• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Médecin Direct
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana soja

07/10/2024 14:00 © Moov.Mg

Isan’ireo sakafo vokatra betsaka eto amintsika ny soja ary maro ireo vokatra ahafahana mihinana azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny ronono soja sy ny mofo soja. Ny vehivavy, indrindra ireo efa nahazo taona, matetika no amporisihana hihinana azy ireny. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana soja ?

Manampy amin’ny fampitoniana ireo fambara ny ménopause

Ny soja dia mitahiry singa antsoina hoe « isoflavones ». Ireto farany dia mitondra vokatsoa maro eo amin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy. Ankoatra izay dia voalaza fa manampy amin’ny fampitoniana ireo fambaran’ny ménopause, toy ny fahakizitinana sy ny « bouffée de chaleur », ihany koa ny fihinanana soja. Misy ihany koa ireo voka-pikarohana manambara fa ny fizarana mihinana soja eo amin’ny vehivavy dia mampihena ny « risques » ahavoa ny homamiadan’ny nono.

Mitondra vokatsoa ho an’ny bevohoka

Isan’ireo sakafo manankarena acide folique na vitamine B9 ny soja ka mahasoa ny bevohoka ny mihinana azy ireny. Ny acide folique tokoa mantsy dia mandray anjara lehibe eo amin’ny fiforonan’ireo sela vaovao eo amin’ny zaza ao am-bohoka. Anisan’izany sela izany ireo mandrafitra ny rà, ny atidoha, ny hazon-damosina… Manampy betsaka amin’ny fahalavorarian’ny fitondrana vohoka ary indrindra amin’ny fahasalaman’ny zaza ao an-kibo ny fihinanan’ny bevohoka soja.

Manampy amin’ny fisorohana ny fiakaran’ny tahan’ny « cholestérol » ratsy

Ahitana singa antsoina hoe « phytostérols » ihany koa ao amin’ny soja. Ireo singa ireo dia miasa amin’ny fanakanana ny fandraisan’ny vatana ireo « cholestérols » ratsy. Raha be loatra tokoa mantsy ireo « cholestérols » ireo dia mety hanentsina ny lalan-drà izay mety hitarika AVC na crise cardiaque. Ny fizarana mihinana soja dia voalaza fa manampy amin’ny fisorohana ny fiakaran’ny tahan’ny « cholestérol » ratsy ao anaty rà.

Manampy amin’ny fikolokoloana ny fahasalaman’ny taolana aorian’ny ménopause

Rehefa aorian’ny ménopause ny vehivavy dia mihena ny tahan’ny kalsioma ao amin’ny taolana. Ny fihinanana sakafo misy soja dia manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny taolana eo amin’ireo sokajim-behivavy ireo. Ny « isoflavones » ao anatin’ny soja dia mety manatsara ny tahan’io kalsioma anatin’ny taolana io. Mba ahazoana vokatra dia tsara raha mihinana soja eo ho eo amin’ny 35 hatramin’ny 100g isan’andro ireo vehivavy efa nahazo taona.

Lire la suite

Articles Similaires