• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo maraina : 'Ndao fantarina ny mahazatra eto Madagasikara, any Eoropa sy any Amerika

05/10/2024 06:35 © Moov

Samy manana ny fahazarany amin'ny fisakafoanana ny firenena tsirairay. Zary kolontsaina izany, ary isan'ny hahafantarana ny firenena sy ny mponina ao aminy. Noho ny fivoarana nefa, lasa miovaova be ihany ny fisafidianana sakafo amin'ny maraina.

Petit-déjeuner à la Malagasy

Anisan'ny tena hahafantarana an'i Madagasikara ny vary sosoa amin'ny maraina. "Sabeda" no iantsoana azy io any amin'iny faritra avaratra iny. Vary malemy izy io, ka vary mena no tena ampiasaina. Misy hatrany ny laoka ampiarahana amin'ilay vary , ka mety foana na masira na mamy : kitoza, hena baolina, saosisy, pirina, siramamy, totom-boanjo, atody, sns. Misy kosa ireo manao "vary amin'anana", ka omena tsiro amin'ny anana ny vary sosoa.
Noho ny tsy fananan'ny maro fotoana hikarakarana sakafo amin'ny maraina nefa, indrindra ho an'ireo eto an-drenivohitra, dia efa tafiditra ao anaty fahazaran'ny Malagasy ihany koa ny dite sy mofo, na kafe sy mofo. Tsy vitsy ireo misakafo maraina eny amin'ireo mpivarotra zava-pisotro mafana sy mofogasy/ ramanonaka. Tsy azo lavina ihany koa fa misy ireo mankafy lasopy, izany hoe paty.

Petit-déjeuner à la Française

Rehefa miresaka hoe "dite sy mofo" dia mamofopofona ny fomba fisakafoanan'ireo Frantsay isa-maraina. Ho an'ireo mponina any Eoropa, mahavantana azy ireo ny zava-pisotro mafana (dite na kafe), ampiarahana amin'ny karaza-mofo."Viennoiseries"(croissant, pain a chocolat, pain au raisin, sns) na mofo hosorana kaonfitira no tena ankafizin'izy ireo.
Izany indrindra angamba no mahatonga ny maro miteny hoe "manao fiainam-bazaha" rehefa tsy zatra mihinam-bary intsony amin'ny maraina. Foto-tsakafon'ny Malagasy mantsy ny vary ka tsy tokony hankaleo na hanina in-telo isan'andro aza.

Petit-déjeuner à l'Anglaise

Somary "mavesatra" ny sakafo marainan'ireo anglisy na "brunch". Toy ireny sakafo atoandro ireny mihitsy. Eo ambony lovia mantsy dia tokony hisy atody, hena, voamaina sy legioma. Ny hena ampiasaina dia nofonkena na saosisy. Ny legioma indray dia voatabia na ovy. Mbola asiana mofo ihany koa ny sakafo, ka ireny pain de mie na biscottes ireny no tena ankafiziny. Azo atao tsara ihany koa ny misafidy "crèpe" Tsy adino ny ranom-boankazo. Amin'ny ankapobeny dia tsy misy vokatra avy amin'ny ronono na hazandrano mihitsy ny sakafo marainan'ireo anglisy.

Inona no tena sakafo maraina ara-pahasalamana ?

Samy manana ny fahazarany ny fianakaviana tsirairay. Ho an'ny tokantrano tsotsotra aloha, dia vary sosoa ihany, na dite sy mofo. Samy misy "indrokely" avokoa ireo sakafo maraina voatanisa etsy ambony. Ny vary sy laoka fotsiny, na dite sy mofo fotsiny dia tsy feno. Ny sakafo maraina anglisy indray dia tena saro-devonina, sady tsy takatry ny fahefa-mividy rehetra. Ny andry zareo frantsay no tena manakaiky ny sakafo maraina ara-pahasalamana, saingy tsy ampy vokatra avy amin'ny ronono fotsiny.
Raha te ho salama tsara dia ireto no tokony hanina isa-maraina :
-Vary na mofo na paty
-Atody (tsy hanina isan'andro)
-Vokatra avy amin'ny ronono (ronono/ fromazy/ yaourt)
-Voankazo (karazany 2 na 3)
Amin'ny atoandro sy alina no tena fihinanana legioma, voamaina sy hena. Mety tsara izany raha vary sosoa sy atody, miampy silaka fromazy sy voankazo. Azo atao ihany koa ny misotro ronono, ampiarahana amin'ny mofo misy kaonfitira.

Lire la suite

Articles Similaires