• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Zeste
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana croissant ao an-trano

19/09/2024 16:24 © Moov.Mg

Efa miditra mianatra izao ny mpianatra ka sahirana isika ray aman-dreny mikaroka ny goûter ampitondraina azy ireny. Ny croissant dia tsakitsaky mahavoky ary ara-pahasalamana mety tsara amin’ny ankizy. Azo amidy atao fitadiavam-bola ihany koa moa izy ireny. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana izany ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao croissants

-Lafarina 500g ;
-Dibera 200g ;
-Siramamy 60g ;
-Ronono 25sl ;
-Levure boulanger 2 sotrokely ;
-Sira ½ sotrokely.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Afanaina ny ronono efa masaka. Rehefa matimaty dia arotsaka ao ny levure ary aroharoana.
Afangaro anaty saladier ny lafarina, siramamy sy ny sira. Arotsaka ao ny ronono misy levure.
Atao mifangaro tsara amin’ny tanana mba hitambatra. Volavolaina ahazo boule iray.
Rarahana lafarina kely eo ambony latabatra ary velarina eo amin’ny alalan’ny rouleau à pâtisserie ny paty.
Tetehana manify ny dibera. Alahatra eo ambonin’ny paty efa nofisahana teo ireo dibera. Aforitra intelo ny paty ary avela hipetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 15 minitra.
Rehefa vita izay fotoana izay dia avoaka ny paty. Averina velarina amin’ny rouleau à pâtisserie eo ambony latabatra nasiana lafarina kely. Averina havalona intelo indray ary apetraka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 15 minitra.
Rehefa izay dia fisahana manify eo ambony latabatra ny paty. Tetehana mahazo telo zoro maromaro amin’ny habeny hitiavana azy. Aforitra mianga avy amin’ny tendrony ny paty tsirairay.
Alahatra eo ambony plaque de cuisson norakofana papier sulfurisé ireo croissant. Avela hibontsina amin’ny toerana mangatsitsiaka (tsy anaty vata fampangatsiahana) mandritra ny ora 1.
Rehefa vita izay dia andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 20 minitra amin’ny hafanana 180°C.

Lire la suite

Articles Similaires