• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dmoose
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Intolérance au lactose » : fantaro ny mikasika ny tsy fahazakana ronono

19/09/2024 14:12 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona tsy mahazaka ronono na manao « intolérance au lactose ». Miseho izany tsy fahazaka ronono izany rehefa avy misotro ronono na mihinana vokatra azo avy amin’ny ronono. Fa inona tokoa moa no atao hoe « intolérance au lactose » ? Ahoana ny fisehon’izany ? ‘Ndeha ho resahana ireo tsara fantatra mikasik’izany.

Inona no atao hoe « intolérance au lactose » ?

Ny « intolérance au lactose » dia ny tsy fahafahan’ny vatana mandevina ny « lactose ». Ity farany dia karazana siramamy hita anatin’ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny ronono. Ao anatin’ny taova fandevonan-kanina dia misy singa iray atao hoe « lactase ». Izy io no manasaraka ny « lactose » ho lasa siramamy tsotra atao hoe « glucose » sy « galactose ». Ireo siramamy roa ireo no manampy amin’ny famokarana hery sy miasa ao amin’ny vatana.
Rehefa tsy levona tsara ny « lactose » dia tonga ao amin’ny tsinay be ka lasa avadiky ny bakteria ho lasa « fermenté ». Aorian’izay dia lasa mampisy rivotra sy « acides gras » izay manankorontana ny fandevonan-kanina ao amin’ny tsinay.
Marihana fa misy ihany koa ireo antony hafa mety mahatonga ny « intolérance au lactose », toy ny « mutation génétique », ny fahasimban’ny « muqueuse intestinale » na ny fahanterana izay mampihena miandalana ny fiasan’ny « enzyme intestinale ».

Ahoana ny fomba fisehon’ny « intolérance au lactose » ?

Tsy voatery hitovy avokoa ny fomba fisehon’ny « intolérance au lactose » eo amin’ny olona tsirairay voakasik’izany. Miankina betsaka amin’ny fatran’ny « lactase » vokarin’ny vatana sy ny « lactose » nohanina izany matetika. Tsy mitovy ihany koa ny fambara eo amin’ny zaza sy ny olon-dehibe. Tsara ny manamarika fa ny zazakely dia tsia dia manao « intolérance au lactose » satria betsaka kokoa ny tahan’ny « lactase » ao anatin’ny vatany.
Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 30 minitra hatramin’ny ora 2 aorian’ny fihinanana sakafo misy « lactose » no miseho ireo fambaran’ny « intolérance au lactose ». Miseho malaky kokoa ireo fambara ireo raha toa ka ronono na vokatra miendrika ranon-javatra mitahiry « lactose » no nosotroina.
Raha eo amin’ny ankizy dia miseho amin’ny alalan’ny fivalanana sy fihenana lanja io « intolérance au lactose » io. Eo amin’ny olon-dehibe kosa dia mahatonga « crampes » sy fanaintainana eo amin’ny kibo, be rivotra, fivalanana, hetotra ary indraindray mety maloiloy na mandoa. Misy fotoana mety miaraka amin’ny havizanana, fanaintainan’ny hozatra, aretin’andoha… ihany koa izany.

Ireo karazana sakafo mety ahitana « lactose »

Araka ny efa voalaza teo ambony dia ny sakafo no mitondra « lactose » ao anatin’ny vatana. Matetika moa dia ny ronono avy amin’ny omby, ondry sy ny osy no mitondra azy io. Noho izany dia ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny rononom-biby ireo no tena ahitana ny « lactose » ka anisan’izany ny lait entier na écrémé, ny fromage fondu, ny fromage blanc, ny dibera ary ny yaourt. Misy ihany koa ireo karazana sakafo tsy ampoizina mety ahitana azy io, toy ny mayonnaise industrielle, sauce blanche…

Inona ny vahaolana amin’ny « intolérance au lactose » ?

Ho an’ireo olona manao « intolérance au lactose » dia azo atao ny manolo ny rononom-biby amin’ny ronono azo avy amin’ny soja sy ireo vokatra azo avy amin’izany. Tsy mitahiry « lactose » tokoa mantsy io karazana ronono io ka tsy tokony misy atahorana.
Mila manantona mpitsabo manokana mikasika ny « allergies » na ny « allergologue » kosa nefa mba ahafahana mampitony na mitsabo ny « intolérance au lactose ».

Lire la suite

Articles Similaires