• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Charles.Co
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny maso : ireo tsara fantatra mikasika ny « chalazion »

17/09/2024 09:34 © Moov.Mg

Maro ireo karazana aretina mety mahazo ny maso ka anisan’izany « chalazion ». Aretina mahazo ny hodi-maso moa izy ity farany ary dia mety manelingelina sy manaintaina tokoa vokatry ny fiparitahan’ny bakteria ao aminy. Tsy dia misy atahorana ny « chalazion » ary azo tsaboina tsara. Ahoana ny fisehon’ny « chalazion » ary ahoana ny fitsaboana izany ?

Inona no atao hoe « chalazion » ?

Araka ny efa voalaza teo ambony dia « infection » mahavoa ny hodi-maso ny « chalazion ». Raha ny marina kokoa dia otrikaretina mahazo ny « glanges de Meibomius » ao anatin’ny hodi-maso izy io. Mahatonga fiforonana fivontosana kely matevina sy mafy (kyste) ao anatin’ny hodi-maso ny « chalazion ». Matetika dia mivara-mena sy manaintaina izy io.

Ireo antony mety mahatonga ny « chalazion »

Vokatry ny fahatsentsenan’ny « glandes de Meibomius » no mahatonga ny « chalazion ». Ireo « glandes » ireo no mamokatra ny « lipides » izay mifangaro amin’ny ranomaso mba tsy hampientona haingana loatra ny « film lacrymal ». Ireo « lipides » ireo no manome rano sy manamandina ny « cornée ». Rehefa tsentsina nefa ny « glandes de Meibomius » dia mikatso ao ny « sébum ». Maro ireo antony mety mitarika ny « chalazion » :
-Fahamainan’ny maso ;
-Havizanan’ny maso ;
-Tsy fikarakarana tsara ny fahadiovan’ny maso ;
-Loto ;
-Aretina vokatry ny tsy fiasan’ny hery fiarovana ;
-« Allergies ».

Fomba atao hanasitranana ny « chalazion »

Raha misy « chalazion » ny maso dia mila manantona mpitsabo mba ahazoana ny fanafody mifanaraka amin’ny fitsaboana izany. Raha vao miseho ireo fambara ahafantarana ity aretina mahazo ny hodi-maso ity dia misy ireo fikarakarana manampy amin’ny fampitoniana ny fanaintainana sy hampihena ny fivontosana :
-Lemana rano mafana ny « compresse » na ny lamba madio ary petapetahana eo amin’ilay hodi-maso ;
-Diovina amin’ny « coton-tige » nolemana « solution physiologique » ny hodi-maso ;
-Horina moramora eo amin’ilay « chalazion » mba hamoahana ny loto ao anatiny.
Raha tsy afaka amin’ireo torohevitra ireo ilay « chalazion » dia omen’ny mpitsabo fanafody manokana hiadiana amin’ilay bakteria mahatonga azy. Raha mbola tsy afaka izany dia mila esorina amin’ny alalan’ny fandidiana any amin’ny mpitsabo manokana ny maso « ophtalmologue » ny « chalazion ».

Lire la suite

Articles Similaires