• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gourmand
Image
Fahasalamana&Sakafo

Nahandro matsiro : fikarakarana coquiflette

10/09/2024 16:08 © Moov.Mg

Ho an’ireo mikaroka nahandro matsiro ankafizin’ny ankizy sy ny lehibe dia atoro eto indray ny coquiflette. Karazana « gratin de pâtes » nasiana « charcuteries » sy fromazy matevina izy ity. Arak’izany dia tena mafilotra tokoa. Araho ary ny fanaovana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao coquiflette

-Pâtes coquillettes (macaronis ilay kely ireny) 250g ;
-Charcuteries 150g ;
-Fromazy voakiky 150g ;
-Fromazy vaingany 250g ;
-Sauce béchamel
-Sira.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Andrahoina anaty rano mangotraka nasiana sira kely ny coquillettes. Rehefa masaka dia ampandalovina rano mangatsiaka ary asiana menaka kely dia afangaro mba tsy hiraikitra. Tsy atao masaka be loatra ny paty fa atao antonony tsara. Avela hitsiaka anaty passoire.
Tetehana madinika ny charcuteries. Tetehana fisaka ny fromazy vaingany.
Manamboatra ny sauce béchamel.
Rehefa vonona ny akora rehetra dia afangaro anaty saladier ny paty, fromazy voakiky sy ny sauce béchamel. Tsy alefa ao daholo ny sauce béchamel fa anajanonana kely.
Arotsaka ao anaty plat à gratin ny sosona voalohan’ny paty. Rakofana ny sosona fromazy nofisahana. Arotsaka indray ny sosona faharoa dia rakofana fromazy indray. Rehefa vita izay dia rarahana ilay ambina sauce béchamel eo amboniny. Avy eo rakofana fromazy farany.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 200°C mandritra ny 20 minitra eo ho eo dia vita.

Lire la suite

Articles Similaires