• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clinique Des Oliviers
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « pneumonie »

04/09/2024 10:29 © Moov.Mg

Aretina isan’ny mahavoa olona maro nefa mbola vitsy mpahalala ny « pneumonie ». Aretin’ny avokavoka matetika vokatry ny otrikaretina izy io. Mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana ary mitarika hatrany amin’ny fahafatesana izy io raha tsy voatsabo ara-dalàna. Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny aretina « pneumonie ».

Inona no atao hoe « pneumonie » ?

Araka ny efa voalaza teo ambony dia aretina iray mahavoa ny avokavoka ny « pneumonie ». Amin’ny ankapobeny dia ny otrikaretina toy ny viriosy sy ny bakteria no mahatonga azy. Mety miteraka ity aretina ity ihany koa ny « champignons ». Rehefa tafiditra ao amin’ny avokavoka ilay otrikaretina dia miraikitra eo amin’ny « alvéoles pulmonaires » ary lasa mitombo ka miteraka « inflammation ». Lasa feno nana sy rehoka ao anatin’ny « alvéoles pulmonaires » ka mahatonga azy ireo tsy hiasa tsara intsony ary miteraka olana ara-pisefoana sy fanaintainana.

Ahoana ny fomba fisehon’ny « pneumonie » ?

Mety ho samihafa ny fomba fisehon’ny aretina « pneumonie » eo amin’ny olona tsirairay. Miankina amin’ny taona sy ny toe-pasalaman’ilay marary ary koa amin’ilay otrikaretina nahatonga azy ny sortir’aretin’ny « pneumonie ». Amin’ny ankapobeny dia ireto manaraka ireto ny fambara matetika miseho eo amin’ilay marary :
-Manavy ;
-Mikohoka ary mamoaka rehoka miloko toy ny arafesina ;
-Sahirana rehefa miaina ;
-Marary ny tratra indrindra rehefa miaina ;
-Reraka be ;
-Mangovitra ;
-Malain-komana.

Iza avy ireo karazan’olona mety ho tratry ny « pneumonie » ?

Samy mety ho tratry ny aretina « pneumonie » avokoa ny olona rehetra. Ambony kokoa ny risika mety ahavoa ny :
-Beantitra ;
-Ny ankizy madinika ;
-Ny olona manana hery fiarovana marefo toy ny olona mitondra ny tsimokaretina SIDA, ny marary manao « chimiothérapie »… ;
-Ny olona taizan’aretina toy ireo misy sohika, diabeta, aretin’ny fo… ;
-Ny mpifoka sigara.

Ahoana ny fitsaboana atao ?

Raha misy ny iray na ny maro amin’ireo soritr’aretina voalaza eo ambony dia mila manantona mpitsabo avy hatrany mba hanantanteraka ny fizahana sy ny fitiliana hanamarinana raha tratry ny « pneumonie ».
Miankina amin’ny fahasarotan’ny aretina sy ny otrikaretina nahatonga azy ny fitsaboana atao. Ny mpitsabo ihany arak’izany no mamaritra ny fitsaboana sahaza ilay marary. Mety izy hanome fanafody toy ny antibiotiques na antiviraux, fanafody fampitoniana ny fanaviana sy ny fanaintainana, mampiditra oxygène… Ho an’ireo efa misy fahasarotana dia mila miditra hopitaly.

Ny fomba atao hisorohana ny « pneumonie »

Mba hisorohana ny aretina « pneumonie » dia ilaina ny :
-Manao vaksiny fanefitra ny gripa sy ny « pneumocoque » ;
-Manasa tanana matetika ;
-Tsy mifoka sigara ;
-Manaraka fomba fiaina ara-pahasalamana (tsy miari-tory, minana sakafo ara-pahasalamana, manao fanatanjahantena…) mba tsy amparefo ny hery fiarovana.

Lire la suite

Articles Similaires