• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Club Fitneo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Hiverina hanao fanatanjahantena : ireo torohevitra tsara arahana

29/08/2024 11:37 © Moov.Mg

Tsy tsara ny tonga dia miverina mikotrana be rehefa nihato tsy nanao fanatanjahantena mandritra ny fotoana maharitra. Mety mahatonga havizanana be na mety mandratra ny fanaovana izany. Ireto ary misy torohevitra tsara arahana raha hiverina hanao fanatanjahantena indray.

Mizaha fahasalamana raha hiverina hanao fanatanjahantena

Alohan’ny hiverenana hanao fanatanjahantena dia tsara ny mizaha fahasalamana, indrindra ho an’ireo 40 taona no mihoatra. Ny fahasalaman’ny fo sy ny taovam-pisefoana no isan’ny tena jerena amin’izany. Ankoatra izay dia tsara ihany koa raha zahana ny fahatomombanan’ny taolana, ny hozatra sy ny « tendons » satria raha misy tsy lavorary amin’izy ireny dia mety hiteraka fanaintainana rehefa manao fanatanjahantena. Ny mpitsabo ihany koa dia afaka manome torohevitra mikasika ireo fihetsika sy fanazarana azo atao.

Atomboka tsikelikely

Rehefa miverina manao fanatanjahantena aorian’ny fihatoana nandritra ny fotoana maharitra dia tsara averina atao tsikelikely izany. Na efa nizatra nikotrana mafy ary taloha dia aleo averina atomboka amin’ny fanazarana malefaka izany. Raha tonga dia atao mafy be ny kotrana dia mety hanaintaina ny vatana ka ho lasa tsy mazoto intsony amin’ny manaraka. Mila mizatra mandritra ny roa na telo herinandro eo mihintsy fa miverina atao mafimafy ny fanazarana.

Sakafo maivana, ampy sy ara-pahasalamana no haninina

Mila tandremana tsara ny sakafo hanina rehefa miverina manao fanatanjahantena. Ny fihinanana sakafo mavesatra dia mety hahatonga fahakamoana hanetsiketsika vatana. Raha maivana na kely loatra koa nefa ny sakafo dia mety hampidina tampoka ny tosi-drà mandritra ny fikotranana. Arak’izany dia sakafo amin’ny antonony sy ara-pahasalamana no atao betsaka. Ny voankazo sy legioma, ny sakafo mahatsara ny fo ary ny sakafo be proteina no atao lohalaharana. Raha mora fanina dia tokony manana vatomamy any am-paosy isaky ny hikotrana.

Mianatra mihaino tsara ny vatana

Maro ny karazana fanatanjahantena azo isafidiana sy mifanaraka amin’ny toe-batan’ny olona tsirairay. Ny zava-dehibe dia ny fahaizana mihaina ny vatana sy ireo filany. Fantarina ihany koa hoe inona no antony hikotranana, toy ny hoe hanala rarin-tsaina, hampitombo ny hozatra, hanena vatana… Tadidiana ihany koa ireo karazana fanatanjahantena sy fanazarana mety mankarary ny vanintaolana na hita fa tsy zakan’ny aina ohatra.

Lire la suite

Articles Similaires