• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wikipédia
Image
Fahasalamana&Sakafo

Parasy lafrika na « puce chique » : ‘ndeha ho resahana

13/08/2024 16:04 © Moov.Mg

Maro amintsika no efa nisy parasy lafrika, indrindra rehefa ilay avy nitsangatsangana tany ambanivohitra tany. Mangidihidy sy manaintaina tokoa ny faritra nidiran’izy ireny. Fa inona tokoa moa ny parasy lafrika ? Ahoana ny atao hanesorana azy ireny ary inona ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe parasy lafrika

Ny parasy lafrika, antsoina amin’ny teny vahiny hoe « puce chique » dia katsentsitra iray miaina amin’ny tany mafana ary mivelona amin’ny ràn’ny olona na ny biby hitoerany. Kely lavitra noho ny parasy izy ireny ary miavaka amin’ty farany noho izy afaka misitrika any anaty hoditra.
Rehefa bevohoka ny parasy lafrika vavy dia misitrika anatin’ny hoditra. Matetika moa dia eo amin’ny tongotra, ny tanana sy ny hoho no hidirany. Rehefa mahazo toerana tsara io parasy lafrika vavy bevohoka io dia manatody afaka 2 herinandro. Mahatratra aman-jatony ny atodin’ny parasy lafrika.
Rehefa vita izay dia maty ho azy ilay parasy lafrika vavy ary avoakan’ny hoditra eny ivelany. 3 na 4 andro aorian’izay dia foy ireo atody. Mivadika parasy lafrika lehibe ireto farany afaka 3 hatramin’ny 4 herinandro.

Ireo fambara ahafantarana fa misy parasy lafrika

Isan’ireo fambara ahafantarana fa tafiditry ny parasy lafrika eo amin’ny hoditra ny hoe :
-Mangidihidy be eo amin’ny faritra voakaikitr’ilay parasy lafrika ;
-Lasa misy mibontsina kely mivaramena eo amin’io faritra mangidihidy be io ;
-Lasa mafimafy sy misy zavatra maintimainty kely eo amin’ilay mibontsina ;
-Rehefa tsy noesorina ilay parasy lafrika dia lasa marary sy misy toy ny nana eo amin’ilay faritra misy mibontsina ;
-Mety mahatonga fanaviana raha efa misy fahasarotana.

Ny fomba atao hanesorana sy hisorohana ny parasy lafrika

Mba hisorohana ny fahasarotana ateraky ny fiparitahan’ny parasy lafrika anaty hoditra dia mila esorina izy ireny. Tsy azo aokaorina izy ireny fa mety mahatonga « infections » izany. Ny atao dia sokirina amin’ny fanjaitra efa nodiovina tsara ilay tranony iny mba hiala. Eny amin’ny sisiny no hisokirana azy ary tandremana mba tsy ho vaky raha efa misy atody ao anatiny. Manaintaina ny sokirina parasy lafrika, indrindra raha efa lehibe ilay tranony iny.
Rehefa afaka moa ity farany dia mamela lavaka kely eo amin’ny toerana nisy azy. Diovina tsara eo amin’io faritra io. Rehefa niala soamantsara ny tranon’ny parasy lafrika dia ariana anaty afo na dorana mba ho faty ireo atody ao anatiny. Tsara ny manantona mpitsabo raha hita fa lehibe loatra ny tranon’ny parasy lafrika na raha efa niparitaka be teo amin’ny hoditra izy ireny.
Mba hiadiana amin’ny parasy lafrika dia mila atao madio tsara hatrany ny trano sy ny tokontany. Raha mandeha any amin’ny toerana ahiana ho misy azy ireny dia tsara raha manao kiraro mihidy hatrany ary fadiana ny mandeha tsy manao kapa eny amin’ny vovoka sy ny fasika. Raha vao misy mangidihidy hafahafa amin’ny tongotra dia mila jerena tsara sao misy parasy lafrika tafiditra.

Lire la suite

Articles Similaires