• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pharmashopi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba atao ampitoniana ny « bouton de fièvre » na fanaviana

19/07/2024 17:24 © Moov.Mg

Isan’ny otrokaretina mpiseho matetika ny « bouton de fière » na ilay ataontsika hoe fanaviana. Izy io moa dia ilay ratra kely manaintaina mipoitra eo amin’ny molotra. Matetika dia rehefa reraka, misy adin-tsaina na nitaninandro be loatra ny olona iray no miseho izy io. Ahoana ary ny atao ampitoniana sy anasitranana ny fanaviana na « bouton de fièvre » ?

Petahana « glaçon » eo amin’ilay fanaviana

Raha vantany vao mahatsapa fa misy mivonto na mibontsina kely tsy mahazatra eo amin’ny molotra dia avy hatrany dia petahana « glaçon » nofonosina tanaty lamba. Ny hatsiaka entin’ilay « glaçon » dia mampihena ny fanaintainana sy ny haben’ilay fivontosana. Mba ahazoana vokatra kokoa dia tsara raha averimberina matetika izany ao anatin’ny tontolo andro.

Osorana tantely

Ny tantely dia akorana natoraly manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny fanaintainana sy ny fampihenana ny « bouton de fièvre ». Rehefa mipoitra ny fanaviana eo amin’ny molotra dia osorana tantely kely, tsy atao matevina be loatra. Avela hiasa 15 minitra avy eo kobanina moramora amin’ny rano matimaty. Sasana tsara aloha ny tanana izay vao manosotra tantely eo amin’ilay fanaviana. Atao in-3 isan’andro ity torohevitra ity mba andaitra tsara.

Asiana tongolo na tongolo gasy

Ny tongolo sy ny tongolo gasy dia samy vokatra natoraly manana fomba fiasa « antiseptique ». Izany hoe mamono ny mikraoba sy manakana ny ratra tsy hihitatra izy ireo. Matetika moa ny fanaviana amin’ny molotra dia mangidihidy sady manaintaina ka raha aotraorina dia lasa maratra. Mba hisorahana izany dia osorana tongolo na tongolo gasy voakiky kely eo amin’ilay fanaviana vao manomboka mangidihidy mba hampitony izany sy ahasitrana azy malaky.

Ireo zavatra tsy azo atao raha misy fanaviana eo amin’ny molotra

Amin’ny ankapobeny moa dia tsy mila fitsaboana manokana ary sitrana ho azy ny « bouton de fièvre » na ny fanaviana rehefa afaka andro vitsivitsy. Mila mitandrina kosa nefa rehefa misy azy ireny mba tsy hampihitatra izany na ahasarotra sitrana ny ratra. Noho izany, tsy azo atao ny :
-Manala ilay takopery eo amin’ny molotra satria lasa ela vao maina ny ratra ;
-Manadio ny fanaviana amin’ny alikaola na zavatra misy alikaola fa vao mainka mampahazo aina ilay ratra ;
-Manao lokomena raha misy « bouton de fièvre ».

Lire la suite

Articles Similaires