• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo karazana sakafo manankarena kalsioma tsara fantatra

10/07/2024 13:05 © Moov.Mg

Ny kalsioma no isan’ny mineraly betsaka indrindra anatin’ny vatana. Mandray anjara betsaka amin’ny fandrafetana ny taolana izy io. Manatsara ny fikaikonan’ny hozatra, ny « coagulation » ny rà, ny famoahana hormonina… ihany koa ny kalsioma. Ho fisorohana ny tsy fahampiana kalsioma ao amin’ny vatana dia tsara ny mihinana matetika ireo karazana sakafo ahitana izany, toy ireo manaraka ireto.

Ny vokatra azo avy amin’ny ronono

Ny vokatra azo avy amin’ny ronono no isan’ireo sakafo manankarena kalsioma indrindra. Ny vitamina D, ny « lactose » ary ny « phosphopeptides » hita ao amin’izy ireo dia mandrisika ny fandraisan’ny vatana ny kalsioma. Na dia matavy azy ireo karazana vokatra azo avy amin’ny ronono dia tsy mampiova ny tahan’ny kalsioma ao anatiny izany. Anisan’ireo vokatra azo avy amin’ny ronono be kalsioma ny « yaourt », ny « crème dessert » sy ny fromazy. Mety avokoa raha avy amin’ny rononon’omby, ondry na osy.

Ny « graines oléagineux »

Ho an’ireo tsy afaka mihinana na tsy mahazaka vokatra azo avy amin’ny ronono dia ahitana kalsioma ambony afaka asolo izany ny « oléagineux ». Voasokajy anatin’izany avokoa ireo karazana voan-javatra fihinana toy ny voanjo, ny « noisettes », « graines de chia », « noix », « cacahuète », « noix de cajou » … Afaka hoanina amin’izao, totoina na afangaro amin’ny sakafo hafa moa izy ireo. Mazava ho azy fa mila hoanina matetika amin’ny fatrany antonony izy ireo mba ahazoana ny fatrana kalsioma ilaina aminy.

Ireo « protéines » azo amin’ny biby fihinana

Maro amin’ireo hazan-dranomasina, trondro sy atody no mitahiry kalsioma amin’ny tahany ambony. Tandremana kosa nefa mba ho sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana hatrany no hoanina. Raha be loatra tokoa mantsy ny « protéines » avy amin’ny biby fiompy anatin’ny vatana dia lasa mampitombo ny famohana ny kalsioma any amin’ny fivalanan-drano indray izany. Isan’ireo sakafo ahitana ity « protéine » ity ny « sardines », ny makamba, ny « huîtres », tekateka, atodin’akoho, ny trondro « morue »…

Lire la suite

Articles Similaires