• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rts
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokadratsin'ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola

20/05/2024 08:36 © Moov

Tsy misy te handre na hamaky mikasika ireo voka-dratsin'ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola amin'izao andro fety izao. Toa tsy metimety tokoa mantsy ny fety raha tsy misy "zava-pisotro mafana" !

Mahamaro namana, mampiakatra "ambiance" rehefa misy fety, mampihena ny fitaintainana, mampitombo ny filàna ara-nofo, mahafalifaly, ... Maro ireo "vokatsoa" azo avy amin'ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola, raha ny hevitr'ireo "mpisotro" no anontaniana. Indrisy nefa, vokadratsy izay manambana ny fahasalamana avokoa no azo resahina mikasika ny alikaola.

Mandoro ireo taovam-pandevonan-kanina

Ireo "appareils digestifs" no tena doran'ny zava-pisotro misy alikaola. Io singa io, raha any amin'ny hôpitaly, dia fanadiovana fery sy fanadiovana ireo fitaovana saro-pady. Na efa somary ambany aza ny "volume"-n'ny alikaola any anaty labiera, divay na toaka, mbola manimba ny tenda, ny vavony sy ny aty hatrany izy io. Izany no mahatonga ny mpisotro mihinana "tsaky" rehefa misotro, mba isorohana ny aretim-bavony. Diso nefa ny fiheverana fa tsy mankarary ny toaka raha ireo "tena raitra" no sotroina, sady ampiarahana amina tsaky isan-karazany tena lafovidy. Raha mihinana "charcuteries" ohatra mantsy dia voa mainka manimba ireo akora simika ao anatin'izy ireny.
Tsy vitsy ireo tena mpisotro, izany hoe tsy maintsy mikitika alikaola in-telo isan-kerinandro farafahakeliny, no marary vavony sy marary aty. Matetika dia efa lasa lavitra ny aretina vao tonga any amin'ny toeram-pitsaboana izy ireo.

Aretin'ny fo

Maro ireo mihevitra fa manampy amin'ny fanadinoana ny olana isan-karazany ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola. Tsy misy porofo ara-tsiantifika nefa izany. Amin'ny ankapobeny dia tsy ny olana akory no mihena, fa ilay olona misedra olana no lasa miankindoha tanteraka ka tsy mahatsiaro ilay olana tokony vahana akory.
Araka ny valin'ireo fikarohan'ny manam-pahaizana dia manimba ny fo ny zava-pisotro misy alikaola. Ho an'ireo efa marefo dia mety hahafaty tampoka ny fahamamoana, noho ny fihenan'ny fitempon'ny fo. Rehefa tena reraka ilay olona avy nisotro dia mety hijanona ny fo. Misy kosa ireo mbola afaka mitsabo raha hita ara-potoana ny fiandohan'ny aretina.

Fanomezana fahasahiranana ny fiaraha-monina

Tsy vitsy ireo olona avy nisotro no lasa mahery setra, mitabataba, manary vola, sns. Misy ireo mbola minia mitondra fiara na moto ka tratran'ny lozam-pifamoivozana. Tsy adino ireo aretina maro entin'ny zava-pisotro misy alikaola. Tsy ny mpisotro ihany no sahirana fa ny manodidina ihany koa. Raha marary ohatra ilay mpisotro dia ny vady aman-janany no mizaka ny fikarakarana rehetra amin'ny fitsaboana. Misy ireo mitondra takaitra toy ny bemangovitra, ny fiovan'ny lokon'ny molotra, ny tsy fahitana na tsy fadrenesana tsara intsony, sns. Raha mandona olona amin'ny fiara na amin'ny moto indray dia mety handratra na hamono olona tsy manan-tsiny.
Tsara ny manamarika fa ireo mpisotro efa miankin-doha tanteraka dia tsy maintsy mandalo "cure de désintoxication" vao afaka amin'ilay zava-pisotro. Lafo dia lafo sady mihatra aman'aina ny fitsaboana hanadiovana ny rà.

Fahapotehan'ny fitadidiana

Mamotika ny atidoha ihany koa ny zava-pisotro misy alikaola. Azo sokajiana ao anatin'ny vokadratsiny ny fahaverezan'ny fitadidiana sy ny fifantohana. Matetika dia mikiky miandalana izany, ka rehefa mitombo ny taona dia mety ho tratran'ny Alzheimer. Tsy ny mpisotro rehetra akory no mety ho voa, saingy tsara ihany ny mahafantratra fa mety hitranga izany, ary tsy tokony hahagaga intsony.
Ny tena mateti-pitranga, araka ny fanamarihan'ireo mpitsabo, dia mandalo ihany (temporaire) ny fahaverezan'ny fitadidiana. Tsy mahatadidy lalana mody ohatra ny olona iray rehefa mamo. Rehefa misava ny herin'ny alikaola mandemy ny vatany sy mampiraikitra ny atidohany dia tokony hiverina ny fitadidiany. Indrisy nefa fa misy ireo tena tsy mety miverina ny fitadidiany, ka mety ho lasa adala mihitsy.

Fahasarotan'ny fananan'anaka/ fiterahana

Manimba tanteraka ny vehivavy mbola te hanan-taranaka ny zava-pisotro misy alikaola. Mety hanahirana ny fipetrahan'ny zaza ao an-kibo ho an'ireo te hiteraka. Misy fiantraikany amin'ny fitondrana vohoka ihany koa ny zava-pisotro misy alikaola izay efa lany tany aloha. Mbola mitombo ny loza manambana raha mbola minia misotro ny reny bevohoka, na dia labiera aza. Mety ho teraka tsy tonga volana, misy fahasembanana ny zaza any an-kibo, na mety maty ao an-kibo mihitsy. Tsy mora ny tsy mety mahazo zaza, ny mamoy anaka na mitaiza zaza sembana ka tsara ny misoroka.

Tsy hirevy kosa àry ve ? Inona àry no ho sotroina ?

Iomehezana sy omena teny marary matetika ireo olona tsy mety mandray zava-pisotro misy alikaola rehefa misy fetifety iny. Toa ny olona tsy maharaka toetr'andro ihany koa ireo fianakaviana tsy mirevirevy rehefa faran'ny herinandro na tsy manana tahirina toaka sy labiera ao anaty vata fampangatsiahana. Mahazo anaram-bositra mihitsy hoe "pasitera" na "masindahy" raha tovolahy no manda ny fitarihan'ny namany hirevirevy.
Raha tena tsy mahalefitra ny fisotroana dia tsara raha mametra ny fatra sotroina. Misy ireo tsy mijanona mihitsy raha tsy mahalany tavoahangin-dabiera maro sady ampiana toaka mahery. Tsy voatery hiseho eo no ho eo ny trangan'aretina maro. Miha-simba tsikelikely ny taova ao anaty ka amin'ny fotoana tsy ampoizina no mety halemy tampoka. Misy ireo zatra mpisotro no misotro ny fatra mahazatra, nefa dia tratran'ny Coma Ethylique. Tsy voatery ho voatsabo ny vokadratsin'ny fanapotehana ny vatana nefa, na dia manana ny enti-manana amin'izany aza.
Azo atao tsara ny misotro ranomboankazo natoraly tsy misy fangaro simika. Mahasoa ihany koa ny fisotroana rano. Tsy ny fanakoran'ny namana sy ny manodidina mantsy no mety hamonjy rehefa tojo tsy fahasalamana.

Inona avy ny tsy azo atao rehefa nandray alikaola ?

Tsy azo lavina fa maro tokoa ny tsy andairan'ny fananarana mikasika ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola.
Ho an'ireo nandray izany, ireo misy teboka tokony tadidiana :
-Tsy azo atao ny mihinana yaourt na ronono, mba hisorohana ny fikorontanan'ny kibo sy ny vavony ;
-Tsara raha misakafo tsara, mba tsy hahareraka loatra ny vatana ;
-Tsy azo atao ary mety hahavoasazy ny fitondrana fiara na moto raha nandray zava-pisotro misy alikaola, eny fa na dia labiera faravodin'ny vera aza.
Tsy izay tsy misotro akory no tsy mety iharan-doza na tsy mety marary. Saingy mafy kokoa ny miazaka ny vokatry ny tsy fitandremana. Lahitokana ny aina, sarobidy ny fahasalamana !

Lire la suite

Articles Similaires