• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mon Enfant Est Malade
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny aretina donika (oreillons)

21/11/2023 16:42 © Moov.Mg

Isan’ireo aretina mpahazo ny ankizy ny donika. Mora mifindra ity karazana aretina ity ary mety miteraka fahamombana raha tsy voatsabo ka mahatratra ny « testicules » na ny « ovaires ». Fa inona tokoa no atao hoe aretina donika ? Ahoana ny fisehony, ny fomba fifindrany ary ny fitsaboana azo atao ?

Inona no atao hoe aretina donika ?

Ny donika dia aretina iray vokatry ny viriosy antsoina hoe “paramyxovirus”. Amin’ny fotoanan’ny ririnina no tena mirongatra azy ka ny ankizy 4 sy 5 taona eo no mora andairany. Mety ho voa ihany koa nefa ny tanora sy ny olon-dehibe. Mipetraka any amin'ny « parotide », izay taova mpamokatra rora ao amin'ny vava ny otrikaretin’ny donika. Mety mifindra any amin’ny sarakaty (pancréas), na any amin'ny atodim-bonga (testicules), na any ao amin’ny atidoha ihany koa izany otrikaretina izany. Indray mandeha anatin’ny roapolo taona no miseho amin’ny olona iray ny aretina donika. Mety tsy hiverina intsony ihany koa moa izany fa ilay voalohany iny ihany.

Ahoana ny fomba fifindran’ny aretina donika ?

Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora ny donika. Izany hoe mety entin’ny rivotra iainana ny viriosy ary mora miparitaka tokoa. Mandritra ny herinandro mialoha sy herinandro aorian'ny hitrangan'ny soritraretina no hifindrany. Tsara izany ny hanaovana arotava (masque na cache-bouche manakona ny vava sy orona) raha te hiaro tena amin'ny donika. Ilaina ihany koa ny fanajana ny fihetsika sakana (gestes barrières) sy ny fanajana ny fahadiovana.

Inona avy ireo soritr’aretina ?

Mety tsy ahitana fambara mihintsy ilay marary voan’ny donika mandritra ny 18 hatramin’ny 21 andro nidiran’ny viriosy nefa dia efa miotrika ao anaty ilay aretina. Rehefa mipoitra amin’izay ny soritr’aretina dia toy izao ny mety mitranga :
-Mivonto sady mamaivay ny takolaka, ka lasa manakona ny sofina ambany. Manomboka amin'ny takolaka 1 aloha, dia mihitatra amin'ny ilany. Miova ny endriky ny tarehy ka lasa tahaka ny poara. Afaka 10 andro io mihena ka miverina amin'ny laoniny ;
-Manavinavy sy marary an-doha ;
-Marary ny sofina ;
-Menamena ny tenda ary marary rehefa manatelina rora. Indraindray aza marary rehefa mitsako ;
-Mamaivay, sy menamena, ary mivonto, sady mafana ny voaniny filahiana (testicule) ho an'ny olona efa niala sakana (nandalo « puberté »). Ny hahalalana azy dia manavy ilay olona ary misy manaintaina amin'ny kibony. Matetika ny 1 fotsiny no voa.
-Ho an'ny vehivavy dia mety hamparary ny ovaire izany (ilay mpamokatra atody).
-Marary ny sarakaty, ka mandoa sy manaintaina amin'ny kibo.

Fomba fitsaboana ny aretina donika

Satria aretina vokatry ny viriosy ny donika dia mety sitrana ho azy izany fa tsy mila fitsaboana manokana. Ny hery fiarovana amin’ny vatan’ny marary no miasa sy miady amin’ny otrikaretina. Maharitra eo amin’ny roa herinandro eo izany ny donika dia tokony ho sitrana ho azy. Tsara foana nefa ny manantona mpitsabo raha toa ka marary manaintaina na ihany koa manavy be ilay marary. Ny mpitsabo no manome ny fanafody sahaza mba hampitoniana ny fanaintainana sy ny hampiafana ny fanaviana.
Etsy andaniny, ilaina ny mampitombo ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihinana sakafo ara-pahasalamana be otrikaina sy ny fakana aina tsara. Tsy tokony hifanerasera amin’ny olona bevohoka ary tsy tokony mandeha mianatra ny ankizy voan’ny donika mba hisorohana ny fifindran’izany.

Lire la suite

Articles Similaires