• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsakitsaky malagasy : fomba fanamboarana « macaron »

26/10/2023 16:51 © Moov.Mg

Anisan’ny tsakitsaky na « goûter » ankafizin’ny ankizy tokoa ny « macaron ». Ilay « macaron » vita gasy moa no resahantsika eto. Atoro eto ary ny fomba fanaovana izany ao an-trano.

Zavatra ilaina raha anao « macaron » ao an-trano

Lafarina 200g ;

-Siramamy 125g ;
-Levure chimique 1sotro kely ;
-Tantely 3 sotro lehibe ;
-Atody 4 ;
-Hanitra lavanila ;
-« Grains de sésame » ;
-Rano ;
-sira ;
-Menaka anedasana azy.

Fomba fikarakarana ny « macaron »

Afangaro anaty lovia jobo ny lafarina, « levure », atody, sira, siramamy ary ny vovondronono. Volavolaina ahazoana paty mitambatra tsara ary atao mahazo « boule ». Afaka ampiana rano raha toa ka tsy mitambatra ilay paty. Avela hilona mandritra 30 minitra.
Rehefa vita izay dia fisahana ny paty ary tetehina lavalava kely toy ny manamboatra « cacapigeon ». Afanaina anaty vilany jobo na vilany saba ny menaka. Rehefa mafana tsara dia endasina ny paty voatetika.
Manarak’izay dia karakaraina ny « sirop » na ilay fangaro mampiraikitra sy manome tsiro mamy ny « macaron ». Afangaro ao anaty vilany ny rano, ny siramamy sy ny tantely ary ataingina ambony afo malefaka. Aroharoana tsara avy eo arotsaka ny ranom-boasary makirana. Ny « grains de sésame » no arotsaka farany.
Alaina ny paty avy nendasina ary araraka anaty vilany nisy ilay « sirop ». Afangaro tsara mba hahazo tsara ilay « sirop » avokoa. Atao anaty boaty ary kapohina mafy mba hitambatra tsara.

Lire la suite

Articles Similaires