• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana trondro endasina (poisson frit)

19/10/2023 17:27 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro iray be mpankafy ny trondro endasina (poisson frit), indrindra any amin’ny morontsiraka izay ahitana trondro betsaka tokoa. Atoro anao eto ny fomba tsotra hikarakarana trondro endasina tsotra nefa matsiro.

Zavatra ilaina raha hanao trondro endasina (poisson frit)

-Trondro toy ny « tilapia » na « merlan » na izay tiana sy arak’izay fatra ilaina ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Menaka hanendasana ;
-Lafarina ;
-Voasary makirana.

Fomba fikarakarana ny trondro endasina

Kikisana ny trondro ary esorina ny tsinay sy ny loto rehetra aminy. Sasana madio tsara ary avela hitsiaka anaty « passoire ». Rehefa vita izay dia fafana amin’ny « serviette de table » mba ho afaka ireo ambina rano. Atao anaty « saladier » na koveta kely dia arotsaka ny sira, ny dipoavatra ary ny ranona voasary makirana. Afangaro kely ary avela hilona mandritra ny 15 minitra.
Afanaina anaty lapoaly jobo na ao anaty vilany saba ny menaka. Esty andaniny dia atao mihosotra lafarina tsara ny trondro tsirairay alohan’ny hanendasana azy. Rehefa mafana tsara ny menaka dia arotsaka ny trondro. Tsy atao mamay loatra ny afo fa atao antonony. Avadika ny trondro rehefa masaka ny lafiny ilany. Mety maharitra 5 hatramin’ny 7 minitra eo ny fanendasana ny lafin’ny trondro tsirairay.
Ny fampiasana trondro dia miaro ny trondro tsy hiraikitra. Raha toa ka lehibe ireo trondro endasina dia somary tatahana amin’ny antsy ny kibon’izy ireo mba ho mora masaka.

Lire la suite

Articles Similaires