• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ieee Embs
Image
Fahasalamana&Sakafo

Tsy fahampiana torimaso : ireo vokadratsiny ho an’ny fahasalamana

18/08/2023 09:34 © Moov.Mg

Tsy mety mahita tory, tapa-tory amin’ny alina, ratsy torimaso, zatra miari-tory… maro ireo antony mahatonga tsy fahampiana torimaso eo amin’ny olona. Tandremo fa rehefa miangona sy maharitra ny tsy fahampiana torimaso dia mety miteraka vokadratsy ho an’ny fahasalamana.

Mampikorontana ny tahan’ny siramamy amin’ny vatana ny tsy fahampiana torimaso

Maro ireo fikarohana mampiseho fa ny tsy fahampiana torimaso dia miteraka fikorontanana eo amin’ny tahan’ny siramamy amin’ny vatana. Rehefa tsy ampy ny torimaso amin’ny alina dia mihena ny fiasan’ny insuline sy ny famokarana izany. Raha maharitra ela loatra izany ny tsy fahampiana torimaso dia miakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà ka mety hiteraka diabeta. Mazava ho azy fa mety mampiombo ny aretina izany ho an’ireo efa misy diabeta.

Mampatavy ny tsy fahampiana torimaso

Rehefa tsy ampy torimaso ny olona iray dia mihena ny famokarana ny hormone antsoina hoe leptine ao amin’ny vatana. Ny leptine no mahatonga ny vatana mahatsiaro voky. Etsy andaniny dia mitombo ny famokaran’ny vavony ny atao hoe ghréline izay hormone mampiakatra ny fahazotoana homana. Ny tsy fahampiana torimaso izany dia manosika ilay olona te hihinana sakafo mamy sy matavy mihoatra ny tokony ho izy. Mora mitombo lanja noho izany ny olona tsy ampy torimaso ka mety hitarika hatavezana diso tafahoatra (obésité) izany.

Mampiakatra ny tosi-drà ary mety miteraka aretin’ny fo

Ho an’ny olona salama dia midina eo amin’ny 10% hatramin’ny 20% ny tosi-drà mandritra ny torimaso amin’ny alina. Ny tsy fahampiana torimaso, izany hoe latsaky ny adiny 7 isak’alina, dia mampiakatra ny famokaran’ny vatana ny atao hoe hormone du stress. Ity farany moa dia mampitombo ny rarin-tsaina ka mitarika fiakarana tsy ara-dalàna ny tosi-drà. Manampy izany fiakaran’ny tosi-drà izany dia mety miteraka aretin’ny fo ihany koa ny hormone du stress.

Fikorontanan’ny fitadidiana sy ny fifantohana

Anisan’ny vokadratsy ateraky ny tsy fahampiana torimaso ihany koa ny fikorontanana eo amin’ny fitadidiana sy ny fifantohana. Araky ny fikarohana iray natao tany Alemana dia tsy fahampiana torimaso mandritra ny efatr’andro misesy dia efa mampihena ny fahatomombanan’ny fitadidiana sy ny fifantohana. Mety voakasik’izany avokoa na ny ankizy na ny olon-dehibe.

Ireo fomba atao hisorohana ny tsy fahampiana torimaso

Maro ireo antony mahatonga ny tsy fahampiana torimaso. Anisan’izany ny aretina, ny rarin-tsaina, ny fisotroana kafe na alikaola diso tafahoatra, ny fieretan-tory… Mba hisorohana ny izany tsy fahampiana torimaso izany dia mila manamboatra ny fomba fiaina ny olona voakasik’izany. Ajanona avokoa ireo fahazaran-dratsy manankorontana ny torimaso. Manantona mpitsabo raha misy ahiana amin’ny toe-pahasalamana mba ahazoana ny fitsaboana sahaza izany.

Lire la suite

Articles Similaires