• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fadifady rehefa bevohoka : Tena mila tandremana tokoa ve ?

06/08/2023 06:20 © Moov.Mg

Fahasalamana & Kolontsaina : Ampahafantarina anao ireo fadifady mandritra ny fitondrana vohoka, amin'ny Malagasy. Tsy voatery hinoana izany, satria tsy misy porofo ara-tsiantifika, saingy tsara fantatra.

Saropady amin'ny Malagasy ny fitondrana vohoka. Ireo ray aman-dreny efa nahazohazo taona dia sarotiny mihitsy ka manome lesona ireo tanora vao erotrerony. Ny Ntaolo Malagasy hono mantsy dia tsy mba sarompiterahana na sampona ny zaza satria nitandrina izay tsy fanao. Visty ireo tsy nahazo zaza na dia tsy mbola nisy aza ny fitsaboana avo lenta toy ny fandidiana rehefa miteraka.

Ireo tsy fanao

-Tsy fanao ny mandika famaky sy fanoto fa mahabila zaza, satria zavatra kapaina famaky dia bila, zavatra totoina amin'ny fanoto toro sy bila.
-Tsy fanao mandrovitra ravintsaonjo fa mahasima zaza, ny molotra sy ny raviny raha lalampanahafana toa mitovy, ka mifindra amin'ny zaza io.
-Tsy fanao ny mamaky voatavo fa maha-sola zaza
-Tsy fanao ny mitondra vorivorikofehy fa mampisadikitra tadipoitra, satria ny kofehy sy tadipoitra raha lalampanahafana dia mitovy fa samy kofehy, ka izay atao aty ivelany mifandray aminy ao ankibo. Misy mihitsy aza ireo vehivavy tsy mamela ny vadiny hanao "cravate" sy "ceinture" satria toy ny sary maneritery.
-Tsy fanao ny manao sakamalaho am-paosy sao mihoatra ny ratsan-togotry ny zaza
-Tsy manao atody am-paosy, ary tsy mandray atody atolotr'olona. Heverina fa atody mantsy no nahatonga ilay zaza ao an-kibo ka mila tandremana tsara ny fitondrana sy ny fandraisana izany.
-Tsy mijery zavatra mampatahotra fa maharatsy tarehy zaza, sy mahasarotahotra ny zaza, satria iny fihetsehampon'ilay reny bevohoka iny mifindra amin'ny zaza ankibo, hoy ny Razana hoe "saropo manana anaka ka tsy misy rainy ny zaza" (manahaka an'ilay zavatra tsy tinao ny zaza)
-Tsy mitanin'afo fa mampiraikitra ny ahitra, izay andalovany afo ny mitsonika, mikainkona.

Ireo fitandremana azo atao

Tsy ny fady ihany no tena ninoan'ny Ntaolo, fa maro ihany koa ireo torohay azon'ny vehivavy bevohoka arahina tsara.
-Misikina lamba rehefa mipetraka fa ndrao azon'olona amin'ny lafika,amin'ny alalan'ny vody mitombona, felatanana, faladia dia mora hanaovana ratsy ka tandremana.
-Rehefa hiteraka dia tsy asina olona ny varavarana na tokonana fa mahasaropiterahana, ny tokonana lalana hivoahana sy hidirana ka mitovy ny manakana ny zaza tsy hivoaka. Heverina ho toy ny varavarana ivoahan'ny zaza idirany eto an-tany mantsy ny fivavian'ny vehivavy.
-Misafidy fahazarana tsara. Raha mamaky boky be ny reniny, mamaky boky be koa ilay zaza. Amboarina ihany koa ny toetra : ahena ny fahakizitinana amin'ny tsy antony, atao izay ifampiresahana sy ifankatiavan'ny mpivady, alavirina ny disadisa, sns.

Torohevitra mahasoa

Amin'izao fahasarotan'ny fiainana sy fivoarana izao, sarotra ny hitadidy fadifady amam-polony isan'andro. Tsy ho atao peta-drindrina ao an-trano akory izany ka ho zary lesona ianarana. Tsara fotsiny raha mitandrina ny vehivavy bevohoka mba tsy handairan'ireo sompatra ataon'ny hafa. Tsy adino ny fikarakarana ara-pahasalamana tsy maintsy atao. Ireto misy teboka vitsivitsy mahasoa, mifanaraka amin'ny toetr'andro :
Tsy mampisehoseho kibo amin'ny tambazotran-tserasera. Tsy ilaozan'izay tsy tia sy te hisompatra mantsy. Tsara kokoa ny tsy mampidera fiainana amin'olona maro, amin'ny lafiny rehetra ;
-Manaraka ny torohevitra ara-pahasalamana ho an'ny bevohoka, toy ny fisafoana isam-bolana, ny fanaovana écographie in-telo farafahakeliny sy ny fanaovam-bakisiny ;
Manantona toeram-pitsaboana rehefa hiteraka. Raha maharaka ny eo am-pelatanana dia hopitaly lehibe misy toeram-pandidiana no aleha. Vidiana lafo mantsy ny iray segondra raha sanatria misy fahasarotana ;
-Tsy mihotra (massage), eny fa na mpanotra mahay sy reninjaza. Afaran'ny mpitsabo io matetika, satria saropady ny tranonjaza sy ny zaza entina ka raha mety hampidi-doza raha misy fiantraikany ratsy ny faritra kitihina amin'ny tanana na tsy mety ny fanaovana azy ;
-Mihinana sakafo mampatanjaka sy maha-be rà, toy ny anandrano, ny voankazo sy legioma. Tsy atao betsaka ireo sakafo saro-devonina toy ny laisoa sy ny voamaina.

Lire la suite

Articles Similaires