• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bernstein Allergy Group.Jpeg
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mangidihidy anaty orina, mievona lava… fantaro ny « rhinite allergique »

11/07/2023 16:04 © Moov.Mg

Rehefa vaninandro ririnina toy izao matetika dia seriserena ny ankabeazan’ny olona. Tsy tokony afangaro nefa ny sery vokatry ny viriosy sy ny sery vokatry ny allergie na hoe rhinite allergique. Fantaro ary ny atao hoe rhinite allergique, ny fisehony sy ny fitsaboana izany.

Inona no atao hoe rhinite allergique ?

Arak’izany fiantsoana azy izany, ny rhinite allergique dia aretina iray azo avy amin’ny fifampikasohana amin’ny allergènes. Ny vovobony (pollen) no isan’ny allergène betsaka tsy mahazaka indrindra ka mahatonga ny rhinite allergique. Ny acariens, ny volon-tsaka na ny volon’alika, ny vovoka… ihany koa dia mety hitarika ity aretina ity. Misy karazany roa lehibe ny rhinite allergique ka misy ny atao hoe rhinite saisonnière izay miseho rehefa miova ny toetr’andro. Ny faharoa dia ny rhinite perannuelle izay miseho mandavan-taona rehefa mifampikasoka amin’ilay allergène tsy zakany ilay olona.

Ireo fomba fisehon’ny rhinite allergique

Rehefa mihetsika ilay rhinite allergique dia mahatsiaro mangidihidy na mangitikitika manelingelina ao anaty orona, mievona lava, misy lelo be foana, lasa menamena ny maso ary indraindray marary misy conjonctivite. Maro ireo olona tsy mahafantatra ity aretina ity no manafangaro azy amin’ny sery vokatry ny viriosy. Raha toa ka miampy orona tsentsina sy fahenona fofona ratsy ao anaty orona ireo fambara ireo dia tandremo fa efa mety efa sinusite allergique no mahazo ilay olona fa tsy rhinite allergique intsony.

Ahoana ny fitsaboana ny rhinite allergique ?

Rehefa mitranga ireo fambara ny rhinite allergique ireo dia tsara foana ny manantona mpitsabo ary fadiana ny mihinana fanafody natoron’ny olona manana aretina mitovy. Fantaro fa samy manana ny toe-batany ny olona tsirairay avy ka tsy voatery handaitra amin’ny olona iray ny fitsaboana nety amin’ny olona iray hafa. Mila fikarakarana manokana moa ny olona tratry ny rhinite allergique ary miantomboka amin’ny fitadiavana ilay allergène tsy zakany izany. Ny mpitsabo avy eo no manome ny fitsaboana mifanaraka amin’izany. Tandremo fa mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana ny fanaovana tsirambina ity aretina ity.

Ireo fitandremana atao tsy hampihetsika ny aretina

Mazava ho azy fa ny tsy fifampikasoana amin’ilay allergène tsy zaka no fomba voalohany hisorohana ny fihetsen’izany. Mety mila fanovana lehibe eo amin’ny fiainana andavanandro moa izany, toy ny hoe fifindrana trano, fisarahan-toerana amin’ilay biby fiompy nohon’ny tsy fahazakana ny volony… Raha tsy mahazaka vovobony dia tsara raha tsy sokafana ny varavarankely, tsy mandehandeha amin’ny toerana betsaka zavamaniry ahitana izany… Raha tsy mahazaka acariens sy vovoka dia mila atao madio tsara foana ny trano, avoaka matetika atao azon’andro ny kidoro sy ny lamba firakotra, atao azon’ny masoandro ny efitra fatoriana, soloina matetika ny drap sy ny fonon’ondana…

Lire la suite

Articles Similaires