Ireo fahadisoana mila tandremana rehefa mihinana « antibiotique »
Fanafody tena ilaina amin’ny fitsaboana aretina ateraky ny bakteria ny « antibiotiques ». Manampy amin’ny famonoana na fanakanana ny fiparitahan’ny otrikaretina ao anaty vatana izy ireny. Mbola maro ankehitriny ireo olona manao hadisoana amin’ny fampiasana ny « antibiotiques ». Izany dia mety hahatonga tsy fahombiazan’ny fitsaboana, fiverenan’ny aretina na koa fanoheran’ny bakteria ny fanafody. Inona avy ary ireo fahadisoana mila tandremana rehefa mihinana « antibiotique » ?
Mijanona tsy mihinana fanafody vantany vao mahatsapa ho salama
Fahadisoana isan’ny be mpanao rehefa mihinana « antibiotique » ny fanajanonana izany vantany vao mahatsapa ho tony na afaka ireo soritr’aretina. Mihevitra tokoa mantsy izy ireo fa efa sitrana tanteraka ka manapa-kevitra ny tsy hanohy intsony ny fanafody.
Marihana nefa fa mety mbola misy bakteria tavela ao amin’ny vatana na dia efa mahatsapa fa mihatsara aza ny marary. Raha ajanona aloha loatra ny fitsaboana dia mety hiverina indray ilay aretina ary ho sarotra kokoa ny manasitrana azy amin’ny manaraka. Noho izany, zava-dehibe ny mamita hatramin’ny farany ny « antibiotique » nomen’ny dokotera, na dia efa salama aza.
Mihinana « antibiotique » tsy misy torohevitra ara-pitsaboana
Misy olona mampiasa ambina « antibiotique » tavela tao an-trano, na maka fanafody avy amin’ny havana sy namana rehefa marary. Fahadisoana tanteraka ny fanaovana izany satria samy hafa ny aretina sy ny « antibiotique » tokony ampiasaina aminy.
Ny fanafody mety tamin’ny olona iray dia mety tsy hahasitrana, ary mety vao maika hankarary ny olona hafa. Tokony ho dokotera na mpiasan’ny fahasalamana no manoro « antibiotique » arakaraka ny tena aretina misy. Mila ajanona hatreo noho izany ny fihinana fanafody tsy nahazoana torohevitra ara-pitsaboana, toy ny « amoxicilline », vao mahatsapa misy tsy metimety ny fahasalamana.
Mampiasa « antibiotique » amin’ny aretina vokatry ny viriosy
Tsy mahavita mitsabo aretina vokatry ny viriosy ny « antibiotique ». Noho izany dia tsy ilaina izy amin’ny fitsaboana : sery, gripa, kohaka sasany, na fanaintainan-tenda maro izay matetika vokatry ny viriosy.
Maro no mieritreritra fa rehefa mihinana « antibiotique » dia ho sitrana haingana kokoa, nefa tsy marina izany amin’ny aretina vokatry ny viriosy. Ankoatra izay dia mampitombo ny fanoheran’ny bakteria ireo fanafody ny fampiasana azy tsy amin’ny antony.
Manadino mihinana fanafody na tsy manaja ora
Mila oanina ara-potoana ny « antibiotique » mba hahafahany miasa tsara ao amin’ny vatana. Raha adino matetika ny fatra na miovaova be ny ora fihinanana azy dia mety hihena ny herin’ilay fanafody.
Ohatra, raha tokony hosotroina isa-maraina sy isaky ny hariva ilay izy dia tsara raha hajaina foana ireo ora ireo. Afaka mampiasa fanairana amin’ny finday na manoratra ora mazava mba tsy hanadinoana ny fanafody.
Mampifangaro « antibiotique » amin’ny sakafo na toaka sasany
Misy « antibiotique » tsy tokony miaraka amin’ny sakafo sasany, indrindra ny vokatra avy amin’ny ronono izay tsy mety amin’ny karazana fanafody sasany. Mety hampihena ny fiasan’ilay « antibiotique » izany.
Ny toaka ihany koa, indraindray, dia mety hampitombo ny voka-dratsin’ny fanafody toy ny fanina, maloiloy, na reraka be. Tsara hatrany ny mamaky ny toromarika ao amin’ny boatin’ny fanafody ary manontany mpitsabo raha misy tsy mazava.
Tsy miraharaha "effets secondaires" miseho
Mety misy olona sasany mahatsapa :
-mangidihidy na misy tasy amin’ny hoditra,
-marary kibo,
-mivalana be,
-na sahirana miaina rehefa misotro antibiotika.
Indraindray ireo dia famantarana fa tsy mahazaka ilay fanafody ny vatana. Raha misy voka-dratsy mahery na tsy mahazatra dia tokony hanatona dokotera malaky mba hisorohana ny mety ho fahasarotana.




