• Cours de change
  • 5131.15 AR
  • |
  • $4440.49 AR
Copyright Image : © Casa Bena Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « tartelettes aux fraises » matsiro

18/08/2025 16:48 © Moov.Mg

Mbola ao anatin’ny fotoana fahavokaran’ny frezy tanteraka isika izao. Maro ireo karazana nahandro afaka ampiasana ity voankazo ity ka anisan’izany ny « tartelettes aux fraises ». Azo hamalifaliana ny ao an-trano izy ity nefa koa azo amidy hitadiavam-bola. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « tartelettes aux fraises ».

Ireo akora ilaina raha hanao « tartelettes aux fraises »

Ho an’ny « pâte sablée »
-Lafarina 250g ;
-Dibera 125g ;
-Atody 1 ;
-Siramamy 80g ;
-Sira 1 tsongo ;
-Frezy 750g.
Ho an’ny « crème pâtissière »
-Ronono 0,5l ;
-Tamenak’atody 4 ;
-Siramamy 100g ;
-Lavanila tangozany 1 ;
-Lafarina 60g ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Atomboka amin’ny fikarakarana ny « pâte sablée ». Kapohana miaraka anaty saladier ny atody, ny siramamy sy ny sira. Alefa ao ny lafarina ary afangaro amin’ny lohan’ny rantsan-tanana. Arotsaka manarak’izay ny dibera malemy (tsy mitsonika) ary fetafetana amin’ny tanana. Fafazana lafarina kely eo amin’ny latabatra ary fisahana amin’ny rouleau pâtissier eo ilay paty.
Didiana mahazo ny endrik’ireo « tartelettes » ny « pâte sablée ». Rehefa vita izay dia apetraka tsirairay ao anatin’ny lasitra ireo « pâtes » ary andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C eo ho eo amin’ny 15 minitra eo. Izany hoe rehefa manomboka mahazo loko kely dia esorina tao.
Miditra amin’ny fanaovana ny « crème pâtissière ». Ampangotrahana anaty vilany kely ny ronono, lavanila ary ny sira. Etsy andaniny, kapohana anaty saladier ny siramamy sy ny tamenak’atody mandrapahazoana fangaro fotsifotsy. Samy arotsaka tsikelikely ao ny lafarina sy ny ronono mangotraka.
Rehefa samy voarotsaka avokoa ny lafarina sy ny ronono dia afindra ao anaty vilany madio. Ataingina ambony afo malefaka ary aroharohana tsy ankiato amin’ny sotrobe hazo mandrapahatevin’ilay fangaro. Avela somary hangotraka kely sady tohizana haroharoana mba tsy hiraikitra.
Baitana teo ambony afo ary apetraka ao anaty koveta nasiana rano mangatsiaka ilay vilany mba hampangatsiaka ilay fangaro. Kapokapohana matetika amin’ny fouet mba hangatsiaka haingana kokoa.
Mandrapangatsiaka ny « crème » dia sasana ny frezy. Esorina ny tahony ary avela hitsiaka tsara ny ranony. Miditra amin’ny « garnissage ». Asiana « crème pâtissière » ireo « tartelettes » tsirairay avy. Alahatra eo amboniny ny frezy. Afaka aroso ny « tartelettes au fraises ».

Lire la suite

Articles Similaires