Aretina « mononucléose » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Ny « mononucléose », matetika antsoina hoe « maladie du baiser » dia areti-mifindra mahakasika indrindra ny adolantsento sy ny tanora. Na dia tsy dia misy atahorana loatra azy izy io dia mety miteraka harerahana lalina sy soritr’aretina mety manelingelina ny andavanandrom-piainana mandritra ny herinandro maro. Fa inona tokoa moa ny « mononucléose » ? Araho eto ireo tsara fantatra mikasika ity otrikaretina ity.
Inona no atao hoe « mononucléose » ?
Ny « mononucléose » dia otrikaretina azo avy amin’ny viriosy atao hoe « virus d’Epstein-Barr ». Mifindra amin’ny alalan’ny rora izy io ka izay no mahatonga azy matetika atao hoe « maladie du baiser ». Izany hoe mety mifindra amin’ny alalan’ny fifanorohana eo amin’ny vava, piti-drora, fifampindimbiasana fitaovana toy ny sotro, borosy nify…
Fahita matetika ity aretina ity ary mety efa nolalovan’io viriosy io avokoa ny ankamaroan’ny olona teo amin’ny fiainany fa tsy nisy soritr’aretina nanamarika izany. Matetika dia tsy ahitana fambara ihany koa ity aretina ity eo amin’ny ankizy fa eo amin’ny adolantsento sy ny tanora izy io no somary mafimafy.
Ireo fambaran’ny « mononucléose »
Rehefa avy niotrika nandritra ny 2 hatramin’ny 6 herinandro ny aretina « mononucléose » no manomboka mipoitra ireo fambaran’ny aretina. Anisan’ireo soritr’aretina fahita ny :
-Harerahana lalina. Izy io no fambara mpiseho sy manamarika ny aretina « mononucléose ». Mety maharitra herinandro maro na amam-bolana izy izany ;
-Fanaviana matetika mihoatra ny 39°C ;
-Areti-tenda (angine). Marary ny tenda, mivonto ny « amygdales » ary mety misy fotsifotsy mandrakotra azy ;
-Mivonto ny atodintariana, indrindra ny eo amin’ny hatoka, ny helika sy ny « aine ».
Mety misy ihany koa ireo fambara hafa mitranga, toy ny hoe marary andoha, manaintaina ny hozatra, malain-komana, misy « éruption cutanée »…
Fomba fitsaboana ny « mononucléose »
Amin’ny alalan’ny fizahan’ny mpitsabo sy ny fitiliana rà no hahafana manamarina ny aretina « mononucléose ». Noho izany, raha mahatsikaritra ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara voalaza ireo dia mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Marihana fa tsy misy fitsaboana manokana ny « mononucléose » noho izy io avy amin’ny viriosy. Ny fampitoniana ireo soritr’aretina no fandraisana an-tanana atao.
Ny mety ho fahasarotana ateraky ny aretina sy ny fisorohana
Aretina « bénigne » na hoe tsy dia atahorana be loatra ny « mononucléose ». Mety misy ihany koa nefa ny fahasarotana aterak’izy io, toy ny « rupture de la rate », « troubles neurologiques » na koa fahasarotana mikasika ny rà.
Mba hisorohana ny fifindran’ity aretina ity dia :
-Fadiana ny manoroka olona rehefa marary ;
-Tsy mifampindrana fitaovana fisakafoanana, borosy nify… ;
-Manasa tanana matetika.
Marihana fa ny olona tratry ny « mononucléose » dia mety mamindra ny aretina mandritra ny volana maro aorian’ny fahasitranany. Tsy miverina voan’ity aretina ity ny olona efa tratra indray mandeha.