Fomba fanaovana « poulet au coca » matsiro
Maro amintsika no mankafy nahandro mamy-masira. Efa mahazatra moa ny sakafo mamiana amin’ny tantely na siramamy. Fomba hafakely hanomezana io tsiro io ihany koa ny fampiasana « coca ». Ny « poulet au coca » moa no isan’ny mora karakaraina sy mafilotra raha hanandrana ity tsiro vaovao ity. Mazava ho azy fa tsy tsara atao matetika loatra kosa nefa izany mba hitandrovana ny fahasalamana. Araho ary ny fomba tsotra fikarakarana « poulet au coca ».
Ireo akora ilaina raha hanao « poulet au coca »
-Fen’akoho kelikely 8 ;
-Tongolo 4 ;
-Coca 33sl ;
-Sakamalaho ;
-Tongolo gasy ;
-Menaka 3 sotro fihinanana ;
-Sauce soja 2 sotro fihinana ;
-Sira sy dipoavatra.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro
Sasana tsara ny akoho dia avela hitsiaka anaty « passoire ». Rehefa mitsiaka dia asiana sira sy dipoavatra.
Voasana ary tetehana manify ny tongolo. Voasana ary kikisana ny tongolo gasy sy ny sakamalaho.
Afanaina anaty vilany ny menaka ary endasina ao any akoho. Avadibadika mba samy hahazo loko tsara ny lafiny rehetra.
Rehefa manomboka « dorés » ny akoho dia arotsaka ny tongolo voatetika ary ny tongolo gasy sy sakamalaho voakiky. Aroharoana tsara, ezahana tsy hiraikitra.
Araraka ao anatin’ny vilany ny coca. Aroharoana ary avela hangotraka kely. Alefa ao manarak’izany ny sauce soja. Ampidinina ho antonony ny afo ary avela hiketrika mandritra ny 50 minitra eo ho eo ny nahandro. Avela ho lasa malemy ny akoho ary ridriatra ny saosy.
Aroso miaraka amin’ny vary ny « poulet au coca ». Raha tiana dia afaka rarahana kotomila kely eo amboniny rehefa mandroso azy.