• Cours de change
  • 5191.45 AR
  • |
  • $5191.45 AR
Copyright Image : © Rfi
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo sakafo tsara hanina hikoloana ny fahasalaman’ny fo

23/06/2025 14:26 © Moov.Mg

Isan’ireo fomba manampy manalava ny andro iainana ny fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Efa nolazaina ombieny ny maha zava-dehibe ny fanaovana fanatanjahantena sy ny fananana fomba fiaina ara-pahasalamana. Mitana anjara lehibe ihany koa nefa ny sakafo hanina.

Sakafo mikolo ny fahasalaman’ny fo : ireo trondro matavy

Ny trondro matavy na hoe « poissons gras », toy ny « saumon », « sardines » sy « maquereau » dia voasokajy ho isan’ireo sakafo tsara hanina hikoloana ny fahasalaman’ny fo. Noho izy ireo manankarena « oméga-3 » dia manampy betsaka amin’ny fampihenana ny tahan’ny « triglycérides », mandrindra ny tosidrà ary misoroka ny « arythmie » izy ireo. Tsara mihinana ireo karazana trondro ireo indray mandeha isan-kerinandro mba hisitrahana ny tombontsoa entiny.

Ireo voankazo sy legioma miloko marevaka

Manampy betsaka amin’ny fikoloana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny fihinanana voankazo sy legioma 5, miloko samihafa, isan’andro. Ireo karazany miloko midorehitra toy ny voaroy, frezy, voasary, legioma maitso, voatabia, brocoli… dia mitahiry vitamina, mineraly sy « antioxydants » amin’ny tahany ambony. Ireo singa ireo dia manampy amin’ny fiarovana ireo sela simba, mampihena ny « inflammation » ary manatsara ny fiasan’ny fo sy ny lalandrà.

Ireo « céréales complètes »

Marina fa mbola tsy dia be mpahafantatra eto amintsika ny « céréales complètes ». Eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny moa mahazana no ahitana azy ireny. Anisan’izany ny « pain complet », « avoine » sy ny vary mena. Manankarena « fibres » izay manampy amin’ny fampihenana ny « cholestérol » ratsy ary mandrindra ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà moa ny « céréales complètes ».

Ireo voamaina

Ny voamaina dia isan’ireo sakafo manampy betsaka amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny fo. Mitahiry « fibres solubles », proteina « végétales » ary mineraly toy ny « potassium » sy « magnésium » izy ireny ka mandray anjara amin’ny fampidinana ny « cholestérol » ratsy, fandrindrana ny tosidrà ary ny famerana ny tahan’ny siramamy anaty rà.

Lire la suite

Articles Similaires