• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Asa : Ireo vadin’asa betsaka mpanao ankehitriny

31/08/2023 15:10 © Moov.Mg

Hiaraha-mahalala ny fahalafosan’ny vidim-piainana ka maro ireo mahatsapa fa tsy mahavelona intsony ny karama iray. Maro noho ankehitriny no misafidy manao vadin’asa mba hanampiana ny vola miditra ao an-tokantrano. Inona avy ary ireo vadin’asa betsaka mpanao ankehitriny ?

Mivarotra lohan’entana fripy

Anisan’ireo entana misy mividy foana ny fitafy na dia lafo aza ny vidim-piainana. Tsy maintsy miakanjo hatrany na ny ankizy na ny lehibe. Maro ireo mpanjifa mankafy mividy ankajo fripy noho izy ireny tsara kalitao sy mora vidy kokoa hoarina amin’ny akanjo sinoa sy ny zaitra an-tsena. Ho an’ireo efa manana asa raikitra dia misafidy mivarotra ireny lohan’entana fripy ireny ao amin’ny tambanzotran-tserasera Facebook. Mankeny an-tsena ary mividy ireo lohan’entana. Sasana tsara ireo lamba, pasohana ary amidy hakana tombony indray.

Manao ireny atao hoe « cashpoint »

Miroborobo ankehitriny ny isan’ireo olona mampiasa ny « mobile money » na ny fampirimana vola anaty finday. Maro nefa ireo toerana mbola tsy ahitana ireo mpanao « cashpoint » na ireo mpandraharaha misahana ny fangalana ny vola anaty finday na ny fampidirana vola ao amin’izany. Misy sarany ny fangalana vola sy ny fandefasana vola eny anivon’ireny cashpoint ireny ka azo atao vadin’asa tsara tokoa. Mila ankinina amin’ny olona azo antoka tsara kosa nefa izany asa izany mba hisorohana ny vola very.

Mampiasa « taxi moto »

Saika ahitana ireny « taxi moto » ireny avokoa ireo tanàna lehibe eto an-drenivohitra. Vahaolana iray manampy betsaka ny olona maika mila fitaovam-pitaterana miala amin’ny fitohanan’ny fifamoivozana izy ireny. Ahazoana tombony tokoa ny mampiasa ny kodiaran-droa atao fitaovam-pitaterana noho izy ireny tsy lafo vidy raha oharina amin’ny fiara. Mora kokoa ny solika ampiasaina ary mahasarika mpanjifa maro noho izy malaky kokoa raha misy dia aleha. Maro noho izany ireo olona efa manana asa raikitra no misafidy ny taxi moto atao vadin’asa. Mividy moto izy ireo ary manakarama olona hiasa hitondra izany. Mandray « versement » isan’andro na isan-kerinandro arak’izay nifanarahana. Mitandrina tsara kosa mba olona azo hitokisana ny hiaraha-miasa.

Lire la suite

Articles Similaires