• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bureau Vallées
Image
Asa & Fianarana

Kitapo ho an’ny mpianatra : hisafidy fripy sa hividy vaovao ?

28/08/2023 09:42 © Moov.Mg

Anisan’ny fitaovan’ny mpianatra ilaina amin’izao fidirana izao ny kitapo. Ahitana karazany maro ary amin’ny vidiny samy hafa eny an-tsena rehetra eny. Inona ary no tsara vidiana, kitapo fripy sa kitapo vaovao ?

Kitapo ho an’ny mpianatra : mafy kokoa ny kitapo fripy

Efa fahazarana ho an’ny fianakaviana Malagasy maro ny manjifa akanjo sy kiraro fripy. Antony voalohany hisafidianan’izy ireo ireny fitafy fripy ireny ny hatsaran’ny kalitao ary indrindra ny vidiny mirary kokoa raha oharina amin’ny entana vaovao mitovy kalitao amin’izany. Toy ireny fitafy ireny ihany ny kitapo fripy. Na dia fitaovana efa niasa tany ivelany aza izy ireny dia maro ireo mbola tsara ary indrindra tena mafy sy tsy mora simba. Amin’ny ankapobeny dia kitapo vitan’ny orinasa lehibe avy any Eoropa na avy any Amerika izy ireny ka avo lenta kokoa ny akora sy ny fanamboarana azy.
Mila mijery tsara kosa nefa ny ray aman-dreny mba tsy ho voafitaka. Misy tokoa ireo mpivarotra no mampifangaro ny entana amin’ny kitapo vaovao ratsy kalitao. Raha maniry hahazo kitapo fripy amin’ilay mafy tsara dia ireo somary lafo vidy no jifaina. Mora fantatra amin’ny endriny sy amin’ny fitsapana ny akora nanamboarana azy ireo kitapo tsara kalitao. Manodidina ny 50 000 ariary sy 90 000 ariary eo ho eo ny vidin’izy ireny. Misy tombony tokoa ny mividy kitapo fripy noho izy tsy mora simba ka mahavita ny mpianatra mandritra ny taom-pianarana.

Mora vidy fa kosa matetika mora simba ny kitapo vaovao

Ahitana kitapo vaovao avokoa ny ankamaroan’ireo tsena rehetra sy ireo mpivarotra lehibe eto an-drenivohitra. Manodidina ny 20 000 ariary sy 40 000 ariary eo moa ny vidin’izy ireny, arakaraka ny refiny sy ny endriny. Amin’ny ankapobeny dia entana vita sinoa izy ireny. Izany hoe tsara endrika, mora vidy kokoa fa kosa manify ary malemy ny akora nanamboarana azy. Ireo karazana kitapo vaovao ireo moa matetika no zakan’ny fahefa-mividin’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Koa satria tsy dia tsara ny kalitaon’izy ireo dia azo lazaina mora simba kokoa ny kitapo vaovao vita sinoa.
Noho izany dia mety tsy maharitra ny mpianatra mandritra ny taom-pianarana izy ireny ka mila miverina mividy ny ray aman-dreny eny anelanelam-potoana eny.
Misy ihany koa moa ny kitapo vaovao vita malagasy. Matetika izy ireny vita amin’ny lamba na hoditra. Na misy aza ireo azo lazaina ho mafy dia maro ihany koa ireo mora rovitra, indrindra ireo ratsy zaitra. Manodidina ny 20 000 ariary sy 30 000 ariary eo ho eo ny vidin’izy ireny. Ahitana kitapo vaovao tsara kalitao kosa nefa eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny ary mahatratra hatramin’ny 500 000 ariary ny vidin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires