• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Umc-Edu-Dz
Image
Asa & Fianarana

Afaka bac 2023 : Hanohy fianarana sa hiasa ?

23/08/2023 08:58 © Moov.Mg

Dingana lehibe eo amin'ny fiainan'ny tanora iray ny fahafahana bac 2023. Rehefa vita ny fiaraha-mifaly amin'ny fianakaviana dia tsy maintsy mieritreritra ny tohin'ny fianarana sy ny fiainana manontolo mihitsy amin'izay. Hanohy fianarana ary ve sa tonga dia hiasa ?

Manohy fianarana eny amin'ny Oniversite

Ny manohy fianarana eny amin'ny Ambaratonga Ambony no fanapahan-kevitra tsara indrindra mba hanomanana hoavy mamiratra. Tsy mora mantsy ny mitady asa, indrindra moa fa raha te hahazo karama mahavelona tsara, mihoatra lavitra ny SMIC na karama farany ambany.
Na manana fahafahana ara-bola aza ny ray aman-dreny, amporisihana ny fidirana eny amin'ireo Oniversitem-panjakana : Ankatso, ENS, IST, ESPA, sns. Manan-danja kokoa mantsy ny diplaoma atolotry ny fanjakana, sady tsy ilana "équivalence" eny amin'ny FOP intsony. Tsy azo lavina kosa nefa fa efa miha-maro ireo Oniversite tsy miankina manana traikefa sady ahatokisan'ireo orinasa maro eto an-toerana sy any ivelany. Azo atao tsara ny mitety sekoly maromaro, hahafahana mahazo ny andinindininy mikasika ny fampianarana, ny fomba fidirana sy ny sarany. Raha tsy te hivezivezy, tsara ny manararaotra ny hetsika ho an'ireo vao afaka bac 2023, toy ny "Salon de l'étudiant".
Mikasika ny fisafidianana ny lalam-piofanana (filière) kosa, tompon'andraikitra feno amin'ny safidiny ny mpianatra tsirairay. Azo atao ny mihaino ny torohevitry ny ray aman-dreny sy ny namana, saingy heverina fa mora kokoa ny hahatafita raha zavatra tena tiana sy efa niriana hatrizay no ianarana.
Tsy adino ireo “formation professionnelle de courte durée”. Ny atao amin’izany moa dia fianaran’asa mandritra ny herintaona na roa taona raha be indrindra, mba hidirana amin’ny sehatry ny asa farak’izay haingana. Ireto avy ny fampiofanana efa misy : Langues, Informatique, Cuisine & Pâtisserie, Coupe & couture, Mécanique automobile, sns.

Miasa taona vitsivitsy hanohizana fianarana

Ny fianarana no lova tsara indrindra. Tsy voatery ny rehetra nefa no manana ray aman-dreny na mpiantoka afaka manohana ny fianarana eny amin'ny Ambaratonga Ambony. Vitsy ihany mantsy no raisina eny amin'ireo Oniversitem-panjakana raha oharina amin'ny isan'ireo vao afa-panadinana Bac 2023. Noho izany indrindra, maro ireo "bacheliers" no mitady asa. Ny tanjona amin'izany moa dia ny mba hahaleo tena ka hahavita hiantoka samirery ny vola ianarana indray eny amin'ny Oniversite.
Ireto ary misy lalan’asa vitsivitsy :

Call center

Raha mahay teny frantsay, azo atao tsara ny mitady asa amin'ireny Call Center ireny. Amin'ny ankapobeny, miandraikitra ireo mpanjifa na mivarotra amin'ny alalan'ny antso an-tariby no tena atao. Misy ihany koa nefa ny "rédaction" ho an'ireo tia manoratra.

Informatique

Mahay "informatique" ny ankabeazan'ny tanora. Azo itadiavam-bola tsara izany. Aza misalasala ary mamaly ireo tolotr'asa amin'ny Cyber Café na mpanota boky. Ny asa atao amin'izany moa dia ny saisie, impression, photocopie, manasa sary, sns. Azo ianarana tsikelikely ireo rehetra ireo.

Restauration/ Hôtellerie

Raha vao hiditra eo amin'ny sehatry ny asa dia azo atao tsara ny mitady asa eny amin'ireny hotely na restaurant ireny. Mpandroso sakafo (serveur/serveuse) no matetika misy tolotr'asa mahaliana. Misy ihany koa ny asa mikasika ny fiantsenana sy ny fanadiovana. Raha te hahazo vola misimisy kokoa dia azo atao tsara ny mikendry ny asa fandraisan'olona (receptionniste) amin'ireny hotely lehibe ireny.
Tsara ny manamarika fa ny tontolon'ny Restauration sy Hôtellerie dia mitaky fahavononana miasa amin'ny alina sy amin'ny andro fety.

Commerce/ Evenementiel

Mora ahitana asa ny sehatry ny varotra sy ny lanonana. Tsy vitsy ireo mitady "hôtesses" na "animateur/ animatrice de vente". Ny asa atao amin'izany moa dia mivarotraiireo vokatry ny orinasa iray amina toerana misy lanonana na eny amin'ireny tsena lehibe ireny (supermarché). Misy kosa ireo misahana ny fandraisana olona rehefa misy fivorian'ny olo-manan-kaja : ireny no antsoina hoe "hôtesses".
Raha mahay mifanerasera amin'olona maro, azo dinihina tsara ny asa mikasika ny commerce. Tsy vitsy ireo tolotr'asa "vendeuse/vendeur" na "commercial".

Tsy vitsy ireo tamana amin'ny asa ka malaina hiverina ao amin'ny sehatry ny fianarana. Mba isorohana izany, ferana ho herintaona raha be indrindra ny anangonana ny vola ilaina. Mandritra ny fotoana iasana, tsara ny mamaky boky mba hampitombo hatrany ny fahalalana.

Sady mianatra no miasa

Tsy mora ny fiainana ankehitriny. Mety ho tojo fahasahiranana ny ray aman-dreny na dia miezaka mafy hanao izay hahatafita ireo zanany aza. Azo atao tsara araka izany ny miezaka mitady vola anampiana ny saram-pianarana na ireo madinidinika ilaina amin'ny fikarohana (photocopie, connexion internet, saran-dalana, sns). Ny fandaminam-potoana no enti-miady amin'izany. Mandra-pahatongan'ny fidirana eny amin'ny Oniversite, mety tsara ny miasa tontolo andro. Rehefa miditra mianatra kosa, asa tapak'andro na amin'ny alina no atao.

Lire la suite

Articles Similaires