• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Fianarana : Aiza no hividy fitaovan’ny mpianatra ?

18/08/2023 14:39 © Moov.Mg

Efa herinandro vitsivitsy sisa dia hanomboka ny taom-pianarana vaovao. Maro ireo ray aman-dreny mbola tsy nahazo fitaovan’ny mpianatra. Atoro eto ary ireo toerana samihafa ahafahana mividy izany fitaovana ho an’ny mpianatra izany.

Ny mpivarotra mpamongadiny raha mitady fitaovan’ny mpianatra mora kokoa

Ny mpivarotra mpamongady no aleha raha maniry hividy fitaovan’ny mpianatra amin’ny vidiny mora indrindra. Eny Tsaralalàna moa no ahitana azy ireny raha ny eto Antananarivo manokana. Mila mitandrina kosa nefa fa tsy voatery ny magazay rehetra ao Tsaralalana no mpamongady. Tsara noho izany raha mampitaha vidin’entana vao mividy. Marihina fa maka entana amin’izy ireny avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra fitaovana ho an’ny mpianatra hitantsika eny amoron-dalana ireny. Matetika noho izany dia milahatra be ka mila manana faharetana sy fotoana malalaka raha misafidy hiantsena amin’ireny toerana ireny.

Ny mpivarotra eny amoron-dalana ho an’ireo tsy mazoto milahatra sy miandry

Maro ireo ray aman-dreny mitady fitaovan’ny mpianatra tsy lafo vidy be loatra nefa tsy mazoto hilahatra any amin’ny magazay mpamongady. Ireo mpivarotra amoron-dalàna, indrindra ireo manodidina an’i Tsaralalana, dia mety ahitana entana amin’ny vidiny tsy mifanalavitra loatra amin’ireo hita eny amin’ny mpamongady. Saika mitovy amin’ireo entana amidy anatin’ny magazay ihany moa ireo hita eny ivelany ireo. Azo atao tsara ny miady varotra ny ankamaroan’izy ireny. Misy fotoana tsy ampy ny entana eo amin’ilay mpivarotra ka na ny mpividy miandry azy maka izany eny amin’ny mpamongady na mifindra mpivarotra hafa.

Ny mpivarotra eny amin’ny tsena raha tsy te hivezivezy be loatra

Ho an’ireo ray aman-dreny tsy manam-potoana na tsy mazoto hivezivezy be loatra dia ny mpivarotra eny an-tsena no tsara hividianana ny fitaovan’ny mpianatra. Efa misy tokoa mantsy ireo tsena natokana ho an’ny fivarotana ireo fitaovana ho an’ny mpianatra, toy ny eny Analakely. Mifanakaiky avokoa ireo mpivarotra ary azo lazaina ho feno tsara ny entana amidy eny amin’izy ireny. Izany hoe afaka hita eo amin’ny mpivarotra iray avokoa ireo fitaovana anaty lisitra takian’ny sekoly. Mety manatombo kosa nefa ny vidin’ny entana raha oharina amin’ireo hita eny Tsaralalàna. Toy izany ihany koa ny any amin’ireny tsena lehibe na Grande surface ireny.

Ny mpivarotra ao amin’ny Facebook ho an’ireo tsy afaka mankeny an-tsena

Maro ihany koa ireo ray aman-dreny raikitra amin’ny asa aman-draharaha ka tsy manana fotoana andehanana eny an-tsena hividy fitaovan’ny mpianatra. Vahaolana ho azy ireny ny mividy izany fitaovana izany amin’ireo mpivarotra ao amin’ny Facebook. Efa maro ireo pejy afaka hanjifana izany karazana entana izany ka anjaran’ny tsirairay no mitady izay mora kokoa. Alefa amin'ny "Message Privée" (MP) ireo entana ary aterin’ny mpivarotra any an-trano na any amin’ny toerana tian’ny mpividy andraisana izany. Marina fa manamora zavatra tokoa ity vahaolana ity, nefa mety hitombo ihany koa ny vola lany satria tsy mitovy amin'ny eny an-tsena ny vidin'entana.

Lire la suite

Articles Similaires