• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ecole Verte Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Fialantsasatra : torohevitra fikolokoloana ny sain’ny ankizy mpianatra

10/08/2023 20:04 © Moov.Mg

Rehefa fialantsasatra lehibe toy izao dia manara-po tokoa ny ankizy amin’ny kilalao sy ny fialamboly rehetra. Maro amin’izy ireo noho izany no sahirana tokoa rehefa miverina mianatra satria adino tanteraka ny fianara. Inona ary no fomba fikolokoloana ny sain’ny ankizy mpianatra ?

Fikolokoloana ny sain’ny ankizy mandritra ny fialantsasatra ny famakiana boky

Anisan’ny fomba fikolokoloana ny sain’ny ankizy mandritra ny fialantsasatra tena mandaitra tokoa ny famakiana boky. Mila miezaka hatrany ny ray aman-dreny mandrisika sy manazatra ny zanany ho tia mamaky boky. Rehefa zatra izany ny ankizy dia manjary lasa mahita fahafinaretana amin’izany karazana fialamboly mampisokatra saina izany. Safidiana tsara ny karazam-boky mety amin’ny taonan’ny zaza. Ankoatra ny fanazarana azy amin’ny famakianteny sy fahafantarana voambolana maro dia mikolokolo ny sainy tsy hanadino ny fianarana ny famakiana boky.

Ampianarina kilalao manodidina ny fampianarana

Maro ny kilalao iarahan’ny ankizy manao rehefa fialantsasatra toy izao. Mba ho fikolokoloana ny sain’izy ireo dia tsara raha kilalao manodidina ny fampianarana no ampianarina azy. Anisan’izany ohatra ny hoe ny ankizy iray manao mpampianatra dia ny ankizy sasany manao mpianatra. Ny lesona nianarana tany am-pianarana no averina hianarana ao anatin’izany kilalao izany. Mety kokoa raha ankizy mitovy taona no milalao mba hitovy ny zavatra nianarana. Tsy voatery koa anefa satria afaka manoro zava-baovao amin’ireo zandry ihany koa ireo efa lehibe.

Ampanaovina ireny « ateliers de vacances » ireny ny ankizy

Maro ankehitriny ireo toerana mampanao ireny « ateliers de vacances » ireny, indrindra ny ety an-drenivohitra. Fomba iray fikolokoloana ny sain’ny ankizy mandritra ny fialantsasatra izy ireny. Maro ireo kilalao sy fampianarana atao ao anatin’izy ireny. Matetika moa dia efa voafaritra mialoha ny « atelier » atao, toy ny fikarakarana sakafo, ny fianarana teny vahiny, ny fanaovana travaux manuels… Mampivelatra sy mampisokatra ny sain’ny ankizy ny fanaovana izany ka tsy ho sarotra amin’ireto farany ny miverina mianatra rehefa tonga ny fidirana.

Lire la suite

Articles Similaires