• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Asa & Fianarana

Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampianarana : ny maha zava-dehibe ny fampianara

07/08/2023 13:54 © Moov.Mg

Ankalazaina isan-taona ny 07 aogositra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fampianarana. Entina hanamarihana izany fotoana izany ary dia andeha ho hamafisina ny maha zava-dehibe ny fanabeazana sy ny fianarana.

Mampisokatra ny mason-tsain’ny ankizy ny fampianarana

Rehefa mandeha mianatra ny ankizy dia mitombo ny atidohany ary misokatra ny sainy. Hita taratra amin’ireo zaza vao mandeha mianatra voalohany izany. Mora mahay miteny izy rehefa mianatra, mora mahazo kokoa rehefa resahina, mora mahaleo tena kokoa, ohatra rehefa midio… Miankina betsaka amin’ny fahaiza-manao ny mpampianatra kosa nefa ny fahafahan’ny zaza mandray ireo fampianarana voalaza ireo.

Manitatra ny fahalalana sy ny fahaiza-manao

Ny fampianarana no fomba lehibe indrindra handrafetana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ny olona iray. Mandeha amin’ny ambaratongany moa ny zavatra ianarana. Mandritra ny fanabeazana fototra no mianatra manoratra sy mamaky teny ny ankizy. Mitombo hatrany ny fahalalana azony rehefa miakatra ny ambaratongam-pampianarana. Mianatra manisa, mifehy ny tenim-pirenena sy ny teny vahiny, mandalina ny tantara sy ny siansa… Amin’ny alalan’ny fampianarana ihany koa no hamolavolana ny fahaiza-manao ilaina amin’ny tontolon’ny asa.

Mampitombo ny fahatokisan-tena

Mamolavola ny lafiny maha olona ny fampianarana. Anisan’ny vokatsoa entin’izany ny fampitomboana ny fahatokisan-tena eo amin’ny mpianatra tsirairay. Isaky ny mitombo ny zavatra hay sy voafehy any am-pianarana dia mahatsiaro tena ho nahavita zava-dehibe ary faly amin’ny tenany izy. Ao am-pianarana ihany koa no ahitan’ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fisasarana mba ahazoana vokatra tsara amin’ny ho avy.

Mampahafantatra ny fisian’ny fitsipika sy ny lalàna

Marina fa efa miaina anaty ny fitsipika ny ankizy rehefa ao an-tokantrano. Mbola hafo koa nefa ny fitsipika sy ny lalàna mila hajaina eny anivon’ny fiarahamonina. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fampitana izany amin’ny ankizy mpianatra ny fampianarana. Moramora kokoa ho an’ny ankizy nianatra no mahafantatra sy manaja ireny fitsipi-piarahamonina ireny. Ireto farany moa dia ilaina hatrany, na eo amin’ny lafiny ara-kasa na amin’ny lafiny ara-tsosialy.

Manampy amin’ny fitadivam-bola any aoriana

Misy karazany maro ny asa sy ny fitadiavam-bola. Ilaina hatrany ny fananana fahaiza-manao na hiasa tena na hiasa amin’ny orinasa. Rehefa nandiha fianarana ny olona iray dia manana safidy maro kokoa izy amin’ny asa na fidiram-bola iriany atao. Tsy voatery hifanaraka amin’ny fianarana norantovina ny asa atao, nefa kosa tsy tokony ho very mandeha ny olona nahavita fianarana raha toa ka mifofotra amin’ny fitadiavana. Mazava ho azy moa fa rehefa manana anton’asa ny olona tsirairay dia mihena ihany koa ny fahantrana eo amin’ny firenena.

Lire la suite

Articles Similaires