• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Libre
Image
Asa & Fianarana

Afaka Bacc : inona no tsara atao alohan’ny fidiran’ny oniversite ?

04/08/2023 09:06 © Moov.Mg

Maharitra volana maro ny fialan-tsasatra lehibe ho an’ireo mpianatra afaka Bacc misafidy ny hianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana. Mba tsy ho laninaly foana ny fotoana dia ireto ary misy torohevitra mikasika ny zavatra azo atao alohan’ny fiantombohan’ny taom-pianarana.

Afaka Bacc : miala sasatra ny saina sy ny vatana alohan’ny fidiran’ny oniversite

Rehefa vita soamantsara ny fanadinana baccalauréat dia mila miala sasatra kely ny mpiadina satria vizaky ny fianarana sy ny fiatrehana ny fanadinana. Raha manana fahafahana ara-bola ny ray aman-dreny dia afaka mandeha miala sasatra any amin’ny faritany ny mpianakavy. Raha tsy ampy kosa ny eo am-pelatanana dia maro ny fialamboly azo ataon’ny tanora afaka Bacc miaraka amin’ny namany toy ny manao baolina, manao mozika, mandeha mitsangatsangana… Mandalo ihany moa izany fialana voly izany ka rehefa maivamaivana ny saina dia ampy.

Mianatra teny vahiny

Mba tsy ho lanilany fotsiny ireo fotoana lava alohan’ny fidiran’ny oniversite dia tsara raha manaraka fiofanana ny tanora afaka Bacc. Anisan’ny fiofanana ilaina indrindra eo amin’ny fanohizana ny fianarana ambaratonga ambony ny fianarana teny vahiny. Efa maro ireo toeram-piofanana manome fiofanana anatin’ny volana vitsivitsy ka ahazoana mari-pahaizana. Anisan’ny fitenim-pirenena tsara hianarana ohatra fiteny anglisy, frantsay, alemana, sinoa… Ilaina foana ihany koa ny fahaizana teny vahiny rehefa tonga eo amin’ny tontolon’ny asa.

Manaraka fiofanana mikasika ny informatika

Anisan’ny fahaiza-manao ilaina tokoa ny faizana informatika amin’izao vaninandro iainantsika izao. Maro ireo mpianatra afaka Bacc no mbola tsy mahay mikirakira ireo fitaovana fototra ao anatin’ny solosaina. Fotoana ahafahany mianatra informatika ny fialantsasatra alohan’ny fidiran’ny oniversite. Toy ny fianarana teny vahiny dia misy ihany koa ireo toeram-piofanana maro mampianatra informatika anatin’ny volana vitsivitsy. Misy ireo fiofanana ho an’ireo vao mianatra informatika ary misy ihany koa ny fiofanana ho an’ireo maniry handalina misimisy mikasika izany sehatra izany.

Lire la suite

Articles Similaires