• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © The Startup Elevator
Image
Asa & Fianarana

Fananganana orinasa : dingana sy antontan-taratasy mila atao

18/07/2023 14:18 © Moov.Mg

Maniry ny hanangana orinasa ve ianao nefa tsy hainao ny tokony atao hanatanterahana izany ? Atoro anao eto ary ireo dingana sy antontan-taratasy mila atao rehefa hanangana orinasa, na izany orinasan’olon-tokana na izany sosaiety.

Dingana sy antontan-taratasy atao raha hangana orinasan’olon-tokana

Misy karazany maro moa ny orinasa. Ny orinasan’olon-tokana no azao lazaina hoe tsotra indrindra ny fananganana azy. Arak’izany fiantsoana azy izany dia olon-tokana ihany no ao anatiny. Ireo karazana asa fivelomana toy ny mpivarotra, mpanao volo, mpanao saisie sy ireny manao prestataire ireny no voakasik’izany. Alohan’ny hanombohan’ny asa ho an’ny orinasan’olon-tokana dia mila manana laharam-pamatarana ny mpandoa hetra (NIF) ny tompon’ny orinasa.

Ireto avy ary ny antontan-taratasy ilaina hahazoana NIF :

# Dika mitovy voamarin’ny kara-panondrom-pirenena,
# Fanamarinam-ponenana (certificat de résidence) latsaky ny telo volana,
# karatry ny mponina ho an’ny vahiny, karatry ny mpiasa vahiny tsy mandray vola isam-bolana (CIPENS),
# kisary manondro ny toeram-ponenana voamarin’ny lehiben’ny Fokontany,
# tapakila sy taratasy fandrotsaham-bola momban’ny hetra tambatra na ny ampaham-bola aloha mialoha,
# karatra Statistika izay alaina any amin’ny faritra misy biraon’ny INSTAT,
# taratasy manamarina ny maha-tompon’ny toerana iasana,
# fanomezam-pahefana voamarina raha toa ka misy tsy fahafahan’ny tompony,
# fahazoan-dalàna manokana mifandraika amin’ny asa tiana hatao avy amin’ny Ministera samihafa (Sekoly # Harena ankibon’ny tany …),
# laharan’ny kaonty any amin’ny banky (R.I.B),
# laharan’ny fangatahana natao tao amin’ny tranon-kala (https://hetraonline.impots.mg/Inscrit/),

Dingana sy antontan-taratasy atao amin’ny fananganana sosaeity (société)

Misy karazany maro ny orinasa atao hoe sosaeity na société, toy ny SARL, SA, EURL… Mitovy amin’ny ankapobeiny ny dingana sy antotan-taratasy atao rehefa hanangana izany karazana orinasa izany. Ny EDBM (Economic Development Board) no sampandraharaha manokana misahana ny fananganana ny orinasa rehetra voafaritry ny lalàna mikasika ny orinasam-barotra. Eny amin’ny ivon-ketra mahefa kosa izany no atao ho an’ireo faritra tsy misy biraon’ny EDBM.

Ireto avy ary ireo antontan-taratasy ilaina raha hanangana sosaeity :

# Dika mitovy miisa valo ny sata mifehy ny orinasa,
# dika mitovy miisa dimy ny fanamarinam-pisiana,
# dika mitovy miisa efatra ny fifanaraham-panofana raha manofa trano ny orinasa,

# dika mitovy miisa roa ny fanamarinam-pananana latsaky ny telo volana,
# dika mitovy voamarin’ny Kara-panondrom-pirenena ho an’ireo Tompon’andraikitra voalohany,
# karatry ny mponina ho an’ny vahiny, Karatry ny mpiasa vahiny tsy mandray vola isam-bolana (CIPENS),
# fanamarinam-ponenana (certificat de résidence), tsy latsaky ny telo volana, ny tompon’andraikitra,
# kisary manondro ny toeram-ponenana voamarin’ny lehiben’ny Fokontany,
# karatra fanamarinana ara-ketra ho an’ireo orinasa mpiara-miombon’antoka,
# karatra statistika alaina ao amin’ny biraon’ny INSTAT,
# fahazoan-dalàna manokana mifandraika amin’ny asa tiana hatao avy amin’ny Ministera samihafa (Sekoly # Harena ankibon’ny tany …),
# laharan’ny kaonty any amin’ny banky (R.I.B),
# laharan’ny fangatahana natao tao amin’ny tranon-kala (https://hetraonline.impots.mg/Inscrit/),

Raha toa ka orinasa sosaeity SA no hatsangana dia misy antotan-taratasy fanampiny homanina :

# Fitanana an-tsoratra ny fivoriam-be momban’ny fananganana ny orinasa,
# fitanana an-tsoratra ny fanapahan’ny filan-kevi-pitantanana,
# filazana ny fandraisan’antoka ataon’ny mpiara-miombon-antoka sy fandrotsaham-bola mifanandrify amin’izany,
# taratasy mamitina ireo mpiara-miombon’antoka sy ny ambahidaim-bidin’ny antoka noraisin’ny tsirairay avy,
# filazana ny ambahidahin’ny antoka sy ny vola efa voarotsaky ny tsirairay,
# taratasy fanamarinana ny fandrotsaham-bola ho an’ny kaontin’ny renivolan’ny orinasa.

Lire la suite

Articles Similaires