• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Expert Gaz & Eau
Image
Asa & Fianarana

Mpanao asa-tanana : torohevitra hampitomboana ny mpanjifa

07/07/2023 09:55 © Moov.Mg

Mpandrafitra, mpanjaitra, mpandrary, mpanao trano, plombier… maro ny mpiasa tanana no sahirana mitady mpanjifa sy mampiroborobo ny asa fitadiavany. Saika mitovy avokoa nefa ny dingana atao mba havitana izany. Zaraina eto ary ireo torohevitra tena mandaitra hampitomboana hatrany ny mpanjifa ho an’ny mpanao asa tanana, indrindra ireo miasa tena.

Mampiasa ireo fitaovan-tserasera mba ho be mpahafantatra

Fomba iray hampitomboana ny mpanjifa ny fahaizana mampahafantatra ny asa atao amin’ny olona maro. Mazava ho azy fa tsy hahazo mpanjifa ny mpanao asa tanana raha toa ka tsy misy mahafantatra ny fisiany sy ny fahaiza-manaony. Efa maro ankehitriny ireo fomba azo atao hanatanterahana izany. Malaza ary betsaka mpampiasa ny Facebook. Tsara izany raha manokatra pejy iray ary miditra vondrona maro be olona mba hizarana ny zava-bita ary ahitana ny laharan-tariby afaka hifandraisana. Tsy adinoina ihany koa ireo fitaovan-tserasera mahazatra toy ny cartes de visites sy ny peta-drindrina (eny amin’ny toerana azo ametahana izany).

Mikaly sy manaja asa mba hanintona ny mpanjifa

Tsy mora ny misarika sy mitazona ny mpanjifa, indrindra amin’ireo sehatry ny asa-tanana. Maro ankehitriny ireo mpiasa-tanana mahay sy manana traikefa ka mahatonga ny fifaninanana ho mafimafy kokoa. Raha te hahomby amin’izany sehatr’izany dia mila mahay misongadina sy miavaka amin’ny tsara. Miverina ary manao dokam-barotra amin’ny manodidina azy ny mpanjifa rehefa afa-po tamin’ny asa nampanaoviny. Mila miezaka hatrany noho izany ny mpiasa tena amin’ny fikalina sy ny fanajana ny asany mba tsy handiso fanantenana ny mpanjifa.

Manao « sous-traitant » amin’ny orinasa

Mbola sarotra amin’ny mpanao asa-tanana miasa tena ny mahazo mpanjifa betsaka na hoe tsy miato mandritra ny taona, indrindra raha vao manomboka. Fomba iray hahafahany mampitombo ny mpanjifa hahatoky azy ny fanaovana sous-traitant amin’ny orinasa. Izany hoe ilay orinasa no manana ilay « marché » ary ampanaoviny ilay mpanao asa-tanana miasa tena. Mampitombo ny traikefa sy ny fahaiza-manao izany, fa indrindra ihany koa ahafahana mifanerasera amin’ireo tompon’orinasa lehibe mety ho lasa mpanjifa any aoriana.

Lire la suite

Articles Similaires