• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Caradisiac
Image
Asa & Fianarana

Ireo fomba ahafantarana ny tolotr’asa mifono fisolokiana na « arnaques »

05/07/2023 16:00 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo olona sahirana tsy mety mahita asa. Etsy andaniny misy ireo mitaraina fa tratry ny fisolokiana na « arnaques » amin’ny resaka asa. Samy mety ho tratr’izany avokoa na ireo misehatra amin’ny freelancing na ireo mitady asa amin’ny orinasa. Ndeha ary ho fantarina ireo fomba lehibe ahafantarana ny tolotr’asa mifono fisolokiana na arnaques.

Tolotr’asa mifono fisolokiana ny fanolorana asa mampitsiriritra sy mampanonofy

Anisan’ny fomba iray voalohany hisarihan’ny mpisoloky ny olona mitady asa ny fanaovana tolotr’asa mampitsiriritra. Ataon’izy ireo izay maharoboka ny mpitady asa amin’ny alalan’ny tolotr’asa mampanonofy toy ny hoe miasa ao-trano dia mahazo vola be, miasa kely ora iray na roa dia mahazo karama be… Efa saika ahitana izany karazana tolotr’asa mifono fisolokiana izany avokoa ireo site d’emploi sy ireo vondrona resaka asa eny amin’ny tambazotra sosialy eny. Tandremo fa tsy misy orinasa na mpampiasa azo antoka hanao tolotr’asa mampanantena vola be tsy hisasarana izany.

Asa tsy mitaky fahaizana sy diplaoma nefa mampanantena karama be

Mitovy amin’ny voalaza eo ambony ihany. Tsy misy ny asa mora atao sy tsy mitaky fahaizana nefa ahazoana karama ambony be. Fomba iray entin’ny mpisoloky hanjonona ny olona tsy an’asa fotsiny ihany izany. Ny asa « en ligne » moa matetika no ahitana ity karazana tolotr’asa mifono fisolokiana ity. Matetika dia eny amin’ny Facebook eny no hizaran’ireo mpanao ratsy azy ireny ary indraindray moa dia asain’izy ireo miditra rohy « lien » ilay olona ahafahany miditra antsokosoko amin’ny kaontiny (pirate).

Tolotr’asa feno diso tsipelina

Tandremo ihany koa ireo tolotr’asa ahitana diso tsipelina be loatra. Matetika dia mody mampiasa teny vahiny ireo mpisoloky mba hisarihana ireo mpitady asa. Rehefa vakiana tsara nefa ilay tolotr’asa dia hita fa feno fahadisoana ary mety tsy miteny mihintsy ary ny fehezanteny. Tokony ho mailo hatrany noho izany fa tsy mora roboka hoe teny vahiny ilay tolotr’asa.

Tolotr’asa mangataka vola na misy saram-piofanana

Fomba fisolokiana ara-kasa efa nahazo olona maro ity karazana tolotr’asa ity. Voafaritra ao anatin’ity farany fa misy vola aloha mba ahafahana mahazo ilay asa. Misy ihany koa ireo mangataka saram-piofanana amin’ilay asa vao afaka tafiditra amin’ilay orinasa. Tandremo fa tsy tokony mandoa vola mihintsy ny olona vao hiditra hiasa. Maro ireo fomba sy filazana ataon’ireo mpisoloky hangalana vola amin’ireo mitady asa ka mila mailo hatrany mba tsy ho voafitaka.

Lire la suite

Articles Similaires