• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De L'Education Nationale
Image
Asa & Fianarana

Zanaka hiatrika BEPC : ireo fanohanana tokony ataon’ny ray aman-dreny

02/07/2023 08:10 © Moov.Mg

Efa manakaiky tokoa ny fanadinana BEPC ka samy mitebiteby avokoa na ny mpiadina na ireo ray aman-dreny. Inona avy ary ireo fihetsika tokony ataon’ny ray aman-dreny mba hanohanana sy hanampiana ny zanany hiatrika BEPC ?

Manome fankaherezana ny zanaka hiatrika BEPC

Fanohanana lehibe endrasan’ny zanaka hiatrika BEPC ny fankaherezana omen’ny ray aman-dreniny azy mandritra ny fotoanan’ny fanadinana. Maro tokoa mantsy ny ankizy no tsy be teny loatra ka tsy mizara amin’ny manodidina azy ny tahotra sy ny tebiteby ao aminy. Ka na dia tsy mitaraina aza ny zanaka hiatrika BEPC dia mila hampaherezina hatrany. Manampy betsaka azy hampitony ny fitaitainany ny filazana aminy hoe « ao fa vitanao io ! » na koa hoe « mahatoky ny fahombiazanao izahay ! ». Hatoky tena ary hahomby kokoa izy rehefa mahazo izany teny fandrisihana sy fankaherezana izany.

Mitandrina ny sakafo ara-pahasalamana omena ny ankizy hanala BEPC

Anjaran’ny ray aman-dreny ny mikarakara sy manome sakafo ara-pahasalamana ho an’ny zanany hanala BEPC. Tsy azo atao antsirambina tokoa ny sakafon’ny ankizy, indrindra mandritra ny fotoanan’ny fanadinana. Ezahina mba sakafo mitondra hery ary manampy amin’ny fitadidiana no karakaraina. Tandremana tsara ihany koa mba tsy atao mavesatra sy saro-devonina ny sakafo mba tsy hanelingelina azy mandritra ny fanadinana. Sakafo maivana toy ny trondro, ny legioma, hena tsy matavy no tsara homanina. Tsy adinoina ny voankazo sy ny rano.

Manara-maso ny fotoana fakana aina

Mila fehezina tsara ny fotoanan’ny zanaka hiatrika BEPC mba tsy ho lany amin’ny zavatra mandany andro toy ny fijerena fahitalavitra sy ny filalaovana finday, indrindra mandritra ny fotoanan’ny fanadinana. Atao mandritra ny asabotsy sy alahady alohan’ny fanadinana ny famerenana lehibe. Mandritra ny fotoanan’ny fanadinana, rehefa hariva na vao maraina, dia mamaky kely ny lesona no azo atao. Tsy tokony miari-tory be loatra intsony ny ankizy mandritra io fotoana io ary anjaran’ny ray aman-dreny no manara-maso izany.

Lire la suite

Articles Similaires