• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sport Montréal
Image
Asa & Fianarana

Torohevitra hizarana ny ankizy amin’ny taranja basket

30/06/2023 09:18 © Moov.Mg

Nalaza tato ho ato ny taranja ara-panatanjahantena basket-ball nohon’ny fiatrehan’ny ekipam-pirenena Ankoay ny amboara maneran-tany FIBA U19. Maro noho izany ireo ankizy manonofy sy maniry ny ho lasa mpilalao matihanina. Ndeha ary ho resahina ireo zava-dehibe mila fantatra mahakasika ny basket-ball alohan’ny hampidirana ny ankizy amin’izany taranja izany.

Ireo vokatsoa azon’ny ankizy amin’ny taranja basket

Ny basket-ball dia « sport d’équipe » mampifanandrina équipes roa samy manana mpilalao 5 avy. Maro ireo vokatsoa azon’ny ankizy amin’ny taranja basket-ball, anisan’izany ny :
-Fianarana ny firaisankina sy ny fifanohanana amin’ny mpiara milalao mba hahazoana fandresena
-Ny fianarana manaja ny fitsipika sy torolalana
-Fandrafetana ny toetra mba ho olona manaja ny lalàna sy ny hafa
-Fianarana ny fandrindrana ny fihetsiky ny vatana sy fanatsarana ny fifantohana
-Fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana

Firy taona no afaka manomboka miditra amin’ny taranja basket-ball ny ankizy ?

Anisan’ireo fanatanjahantena afaka ataon’ny ankizy madinika ny basket. Afaka manomboka milalao sy mianatra ity taranja ity ny zaza dieny ny faha 4 taonany. Mazava ho azy moa fa mila mifanaraka amin’ny habeny ny baolina sy ny paniers ampilalaovana azy. Azo ataon’ny ray aman-dreny tsara ny miara-milalao amin’ny zanany any an-trano amin’ny voalohany avy eo rehefa somary lehibe izy dia ampidirina club na fianarana natokana amin’ity taranja ity.

Aiza no ampidirina mianatra ny ankizy maniry hizatra amin’ny taranja basket

Efa maro ankehitriny ireo clubs afaka ampidirana ny ankizy maniry hianatra basket-ball raha ny eto Antananarivo manokana. Saika ahitana izany ny ankamaroan’ireo kaominina lehibe eto an-drenivohitra. Maro ihany koa moa ireo sekoly izay efa manana ny club an’izy ireo manokana.
Fomba iray voalohany sy mahomby hizarana ny ankizy amin’ity taranja ara-panatanjahantena ity ny fidirana amin’ireny vondrona ireny. Ireto farany tokoa mantsy no mampianatra ny fitsipika fototry ny taranja sy ny fahaizana milalao amin’ny ankapobeny.
Raha liana ny hiditra lalindalina anatin’ny taranja ny tanora efa manana trakefa dia afaka miditra amin’ny club lehibe ary mandray anjara amin’ireny fifaninana lehibe ireny. Raha ambony ny fahaiza-manao dia mety ho tafiditra anatin’ireo mpilalao voafantina anatin’ny ekipam-pirenena ireo tanora milofo amin’ity taranja ity.

Lire la suite

Articles Similaires