• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Slate
Image
Asa & Fianarana

Tambazotra sosialy : mila tandremana ny ankizy mampiasa Facebook

23/06/2023 10:35 © Moov.Mg

Fakàna an-keriny, fanodikodinana zaza tsy ampy taona, fandrahonana… maro ireo tranga mampalahelo efa nahatratra zaza tsy ampy taona maro mampiasa Facebook. Mbola tsy matotra ara-tsaina ary tsy ampy fitandremana izy ireny ka mora amin’ny olon-dratsy ny manararaotra azy ireo. Ndeha ary ho resahana eto ireo vokadratsin’ny ankizy mampiasa Facebook sy ireo fitandremana mila ataon’ny ray aman-dreny.

Ireo vokadratsy mety hahatratra ny ankizy mampiasa Facebook

Tsy manana fahafahana manokatra kaonty ao amin’ny Facebook ny ankizy latsaky ny 13 taona. Tsikaritra nefa ankehitriny fa maro ireo zaza 9 hatramin’ny 12 taona hita ao amin’ity tambazotra sosialy ity. Na dia mampiala voly aza ity farany dia fantatra fa maro ny voka-dratsy mety hahakasika ny ankizy manao Facebook.

Misarika sy manintona ny olon-dratsy

Anisan’ny fitaovana ampiasain’ny olon-dratsy hitadiavana ireo izay ho araraotiny na ho fitahiny ny tambazotra sosialy. Ireo ankizy mampiasa Facebook moa matetika no tratran’izy ireny nohon’ny tsy fahampian’ny fitandremany. Ny fizarana sary sy zavatra manokana mahakasika ny fiainan’izy ireo mahazana no hatratraran’ny mpanao ratsy azy. Etsy andaniny moa misy ireo mandray namana olona tsy fantatra ary mahavita miresaka amin’izy ireny. Tsy vitsy noho izany ireo ankizy sendran’ny mpanodikodina zaza tsy ampy taona, mpanola, mpaka an-keriny… izay tafiditra anatin’ny fandrik’izy ireny.

Mampihemotra amin’ny fianarana

Mandany fotoana tokoa ny fanaovana Facebook. Maro ireo zavatra mahavariana hita ao, toy ny sary, horonantsary, zavatra mampiomehy, kilalao… Koa satria azo jerena andro aman’alina ity tambazotra sosialy ity dia mety ho lany andro amin’ny fanaovana izany ny ankizy sy ny tanora raha toa ka tsy voafehy ny ray aman-dreny. Rehefa variana eo tokoa izy ireny dia lasa manao ankilabao ny fianarana. Mety miteraka fiankinan-doha ny fizarana manao Facebook ka lasa tsy mifantoka amin’ny fianarana intsony izy ireo.

Mampiana-dratsy ny ankizy

Tsy misy sivana ny zavatra zarain’ny olona ao amin’ny Facebook, indrindra ny sary sy ny horonantsary. Mety ahitana zavatra mamoafady na koa feno herisetra ao anatin’izy ireny. Mbola tsy mety amin’ny ankizy tsy ampy taona ny mahita izany noho izy ireo mbola tsy ampy fahamatorana ara-tsaina. Mora voasarika ny sain’izy ireny ka mety hampiana-dratsy azy ireo ny zavatra hitany ao amin’ny Facebook.

Ny fitandremana tokony ataon’ny ray aman-dreny manoloana ny ankizy manao Facebook

Tomponandraikitra voalohany amin’ny fitaizana ny zanaka isika ray aman-dreny. Anjarantsika ny mifehy ny zanantsika amin’ny fampiasana ny tambazotra sosialy. Raha mbola latsaky ny 13 taona ny ankizy dia tsy tokony avela manao Facebook satria maro ireo zavatra misy mizara ao tsy mbola tokony ho hitany sy ho fantany. Ho an’ireo efa afaka mampiasa Facebook kosa dia mila arahina maso mandrakariva ny zavatra atao sy jeren’izy ireo ao amin’ny kaontiny, ny olona namanay sy miresaka aminy… Ferana ihany koa ny fotoana ahafahany manao Facebook mba hisorohana ny fiankinan-doho sy ny areti-maso ateraky ny fanaovana izany ela loatra.

Lire la suite

Articles Similaires