• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Evolution & Performance
Image
Asa & Fianarana

Ireo fahazaran-dratsy mila hialana raha te hahomby ara-kasa

16/06/2023 17:31 © Moov.Mg

Tsy mahita asa nefa manana diplaoma, tsy mahazo fisondrotana ara-kasa mandritra ny taona maro, tsy mahomby amin’ny asa-tena atao… miseho amin’ny fomba maro ny tsy fahombiazana ara-kasa. Fantatrao ve fa mety fahazaran-dratsy avy aminao no anton’izany ? Ndeha ary ho resahina ireo fahazaran-dratsy mila hialana raha te hahomby ara-kasa.

Mila hialana ny fangatahan’andro raha te hahomby ara-kasa

Ny fangatahan’andro, antsoina hoe « procrastination » amin’ny teny frantsay, no anisan’ny fahavalo voalohan’ny fahombiazana sy ny fandrosoana. Ilain’ny vatana tokoa ny maka aina sy mampiala voly ny saina. Ny fanemorana lava ny asa mila vitaina kosa nefa dia mandany fotoana sarobidy tokony hanaovana zavatra hafa. Mila hialana noho izany ny fangatahan’andro raha te hahomby ara-kasa. Voakasik’izany avokoa na ny mpiasa birao na ny mpiasa-tena.

Mionona amin’ny zavatra hay

Fianarana ny fiainana. Voakasik’izany indrindra ny sehatry ny asa. Tsy azo atao ny mihonona amin’ny zavatra hay fa mila miezaka hatrany mampitombo ny fahalalana. Atomboka amin’ny sampana rehetra mifandray amin’ny asa atao izany. Mora misondrotra amin’ny asany kokoa ny olona iray rehefa mahay zavatra maro. Toy izany ihany koa ny mpiasa-tena sy ny mpandraharaha. Miroborobo sy mandroso tsara ny asa ataony rehefa mahafehy zavatra maro izy.

Manome tsiny ny hafa amin’ny tsy fahombiazan’ny tena

Manao fahadisoana avokoa isika rehetra amin’ny maha olona antsika. Ny zava-dehibe dia ny fahaizana mahazo lesona tamin’ny zavatra tsy nety natao. Maro ireo olona tsy mety manaiky ny hadisoany ka manome tsiny ny hafa. Fahazaran-dratsy mila hialana izany raha te hahomby ara-kasa. Fomba iray mampitombo fahalalana sy traikefa ny fanaovana hadisoana ka tsy tokony ahilika any amin’ny hafa.

Manao antsirambina ny fahasalamana

Mahomby kokoa amin’ny asa ianao rehefa salama tsara, na ara-batana na ara-tsaina. Raha te hahomby ara-kasa dia mila kolokoloina hatrany ny toe-pahasalamana. Mila atsahatra ny fijanonana ela loatra any am-piasana, ny fiaretan-tory lava, ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana… Hajaina ihany koa ireo fotoana fizahana ara-pahasalamana rehetra mila atao isan-taona mba tsy ho tampohan’ny aretina.

Lire la suite

Articles Similaires