• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pulse
Image
Asa & Fianarana

Tontolon’ny asa : ilaina ve ny fifehezana ny teny vahiny eto Madagasikara ?

10/05/2023 14:04 © Moov.Mg

Maro ankehitriny ireo sehatra ilaina ny fifehezana ny teny vahiny eto Madagasikara raha tsy hitanisa afa-tsy ny tontolon’ny asa. Ny teny frantsay sy anglisy no anisan’ireo fiteny tena fampiasa eto amintsika. Fa inona tokoa no antony ilaina ny fifehezana ny teny vahiny eo amin’ny sehatry ny asa ? Ahoana no fomba atao raha efa lehibe vao hiverina hianatra teny vahiny ?

Manampy betsaka amin’ny fitadiavana asa ny fifehezana ny teny vahiny

Ny teny frantsay no teny ofisialy faharoa fampiasa eto Madagasikara ao aorian’ny teny malagasy. Izany no antony mahatonga azy ampiasaina amin’ny ankamaroan’ireo antotan-taratasy ara-pitantanana ampiasaina eto amin’ny firenena. Eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharana dia ilaina tokoa ny fifehezana ny teny vahiny, indrindra ny teny frantsay sy anglisy. Omen’ny orinasa lanjany kokoa noho izany ireo olona mitady asa mahafehy teny ireo teny vahiny ireo. Matetika ary moa takiana ao anatin’ireny tolotr’asa ireny izany fahaizana izany.

Mampitombo ny fahaiza-manao amin’ny sehatry ny asa ny fifehezana ny teny vahiny

Ny ankabeazan’ny orinasa lehibe sy antonony eto Madagasikara dia mampiasa ny teny frantsay amin’ny lafiny serasera, na anatiny na ivelany. Matetika voarakitra amin’izany teny vahiny izany avokoa ireo « procédures » sy fomba fiasa apetraky ny orinasa. Manana tombony manokana noho izany ireo mpiasa mahafehy tsara ny teny frantsay amin’ny fanatanterahana ny asany sy amin’ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miasa na mpanjifa vahiny. Manana fahatokisan-tena ambony ihany koa. Mazava ho azy fa ho mora amin’izy ireny ny hahazo sy hisahana andraikitra ambony amin’ny orinasa raha oharina amin’ireo tsy mahafehy ny teny vahiny. Torak’izany ihany koa ny zava-misy amin’ireo orinasa na sehatr’asa mampiasa ny teny anglisy na tenim-pirenena hafa.

Ireo torohevitra afaka manampy raha efa lehibe vao hianatra teny vahiny

Tsy misy fehin-taona ny fahafahana mianatra teny vahiny. Afaka manao sy mahavita izany avokoa na ny ankizy kely na ny olon-dehibe. Ny fandavan-tena sy ny fikirizana no fomba roa lehibe ahombiazana amin’izany, indrindra ho an’ireo olona efa miasa. Efa maro ankehitriny ireo toeram-piofanana mampianatra teny vahiny eto Madagasikara. Raha efa miasa moa dia ireo fianarana amin’ny hariva na ireo « formations à distance » no tsara atao. Ankoatra ny lesona sy ny fanazarana omen’ireny toeram-pianarana ireny dia mila manao fikarohana sy fizarana hafa amin’ny andavanandro mba ahafehezana haingana ny teny vahiny ianarana. Mila sahisahy mampiasa ireo kely izay hay ihany koa fa tsy mahazo saro-kenatra na matahotra hihomehezan’ny hafa. Rehefa ampiasaina foana ny teny vahiny dia ho mora kokoa ny mifehy azy.

Lire la suite

Articles Similaires