• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Asa & Fianarana

Burnout : ny fahatrotrahana nohon’ny asa

03/05/2023 17:53 © Moov.Mg

Samy mandalo rarin-tsaina vokatry ny asa avokoa ny olona rehetra. Rehefa maharitra ela loatra anefa izany dia mety mitarika « burnout ». Mila fantarina noho izany ny fitrangan’ity fahatrotrahana nohon’ny asa ity mba hisorohana ny fihitarany. Inona no atao hoe burnout ary ahoana no atao hisorohana izany ?

Inona no atao hoe burnout ?

Ny atao hoe burnout dia ny fahatrotrahana ara-batana, ara-tsaina sy ara-pihetseham-po eo amin’ny olona iray vokatry ny asany. Ireo mpitsabo no nahitana voalohany ity fahatrotrahana nohon’ny asa ity. Fantatra anefa ankehitriny fa mety ho tratry izany avokoa ireo mpiasa amin’ny sehatra samihafa. Ny asa mila fanoloran-tena lalina no tena voakasiky ny burnout. Mety ho tratra avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy.
Anisan’ny antony voalohany mitarika ity fahatrotrahana vokatry ny asa ity ny fahatsapan’ilay olona miasa fa misy elanelany be loatra amin’ny asa takiana aminy sy asa vitany. Toe-javatra mety manampy trotraka izany ihany koa raha ilay mpiasa ka tototry ny asa, terena hamita asa haingana, tsy mahazo fankasitrahana amin’ny asany, tsy mazava ny zavatra asaina ataony, disadisa eo amin’ny mpiara-miasa… Lasa mitarika rarin-tsaina ho azy izany ka mahatonga azy ho tratry ny burnout.

Inona avy ireo fambara ny burnout ?

Marihina fa tsy mitranga tampoka ny burnout. Ny fiantombohany dia miferotr’aina ary mahatsiaro tena ho tsy misy fahafinaretana intsony ilay mpiasa rehefa manao ny asany. Mihakivy izy ary mitombo tsikelikely izany fahakiviany izany ka mitarika amin’ilay fahatrotrahana nohon’ny asa. Manomboka miseho amin’izay ireo fambara ny burnout :

Reraka lava

Ny olona tratry ny burnout dia mahatsiaro reraka lava ny vatany sy ny sainy. Tsy mety afaka ny torimaso sy ny fotoana fakana aina mahazatra toy ny faran’ny herinandro ny havizanany. Lasa tsy ampy hery izy ka lasa vao maika sarotra aminy mahavita asa. Rehefa tototry ny asa dia mitombo ihany koa ny rarin-tsaina manakana azy haka aina.

Mihena tanteraka ny hafanam-po amin’ny asa

Mitarika fahakiviana sy toe-tsaina miiba ho azy ny rarin-tsaina iainany eo amin’ny fanatanterahana ny asany. Tsy misy hafanam-po toy ny teo aloha intsony rehefa mandeha miasa. Lasa kamo hitsangana ny fandriana amin’ny andro fiasana. Tsy tia mifandray amin’ny mpiara-miasa intsony fa mitokatoka monina.

Lasa tsy mahavita ny asa tokony atao intsony

Tsy mifantoka amin’ny asany intsony ny olona tratry ny burnout. Manadino ny manao ny zavatra nasaina nataony na koa tsy mahavita izany araka ny tokony ho izy. Lasa mananosarotra aminy ny manatanteraka ny asa fanaony ary indrindra ny manatratra ny fe-potoana. Rehefa tsy vita anefa ny asa dia vao maika mitombo ny rarin-tsaina ka manjary tafiditra lalina anaty fahatrotrahana.

Tsy mahita tory ary lasa kizitin-dava

Manana olona amin’ny fahitana torimaso ny olona tratry ny burnout. Na izy lasa sarotra vao mahita tory na lasa tsy matory mihintsy mandritra ny alina. Misy ihany koa ireo olona nahita tory fa lasa tapa-tory ka tsy mahazo torimaso intsony. Miteraka hakizintinana ny tsy fahampiana torimaso. Tsy mahavita mifehy tena intsony fa lasa tezi-dava na amin’ny mpiray monina na amin’ny mpiara-miasa.

Inona no atao hisorohana ny burnout ?

Ny fahaizana mifehy tena manoloana ny asa no fomba voalohany hiadiana amin’ny burnout. Mila atomboka amin’ny fahaizana mitantana ny fotoana izany. Ezahana tsinjaraina ny asa mba tsy ampihaotra be ny ora iasana. Ilaina ihany koa ny maka fotoana hakana aina mandritra ny tontolo andro ary tsy hadino ny maka fialan-tsasatra kely, indray mandeha na indroa isan-taona. Tsy tokony ho menatra ihany koa mitady fanampiana amin’ny mpiara-miasa raha toa ka be loatra ny asa atao. Ary farany, mila mianatra mifehy ny rarin-tsaina.

Ireo fomba fiatrehina ny fahatrotrahana nohon’ ny asa

Raha toa moa ka efa tratra ny burnout dia mila maka fotoana lavalava hakana aina. Miezaka ihany koa mamantatra ireo antony nahatonga izany fahatrotrahana nohon’ny asa izany mba tsy hanamboarana ny fomba fanao ao am-piasana. Mila manantona mpitsabo matihanina toy ny psychologue ihany koa mba ahazoana ny fitsaboana sy ny fanohanana ara-tsaina ilaina.

Lire la suite

Articles Similaires