• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Famille Actuelle
Image
Asa & Fianarana

Hetsika ivelan'ny fandaharam-pianarana : ireo tombontsoa ho an’ny mpianatra

02/05/2023 08:13 © Moov.Mg

Indraindray isika ray aman-dreny dia mimenomenona rehefa mandoha ny saran’ny fanaovana ireo hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana takin’ny sekoly. Tsara ho fantantsika anefa fa tena ilain’ny zanantsika izy ireny. Fa inona tokoa moa ireny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana ireny ary inona avy ireo tombontsoa entin’ny ho an’ny mpianatra ?

Inona no atao hoe hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana ?

Fantantsika kokoa amin’ny dikan-teny hoe « activités parascolaires » ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana. Arak’izany anarany izany moa dia mikasika indrindra ireo hetsika fanampiny ara-panatanjahantena sy ara-koltoraly atao any am-pianarana izy ireny. Samy manana ny hetsika harosony ho an’ny mpianany moa ny sekoly tsirairay. Misy karazany maro rahateo ireo hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana azo atao. Amin’ny ankapobeny moa izy ireny dia natokana hampialavoly sy hampifohazana ny talenta ananan’ny mpianatra tsirairay.

Na tsy tafiditra anaty fandaharam-pianarana ary ireny hetsika ireny dia matetika tsy maintsy mandray anjara amin’izany avokoa ny mpianatra. Mizara karazany maro ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana. Ao ireo hetsika ara-panatanjahantena anaovana fanatanjahantena toy ny hay ady, lomano, baolina kitra, basket… Ao ihany koa ireo hetsika ara-kolotoraly ahitana ny fampianarana fiteny vahiny, asa-tanana, mozika sy ny maro tsy voatanisa. Mahazana moa ny fianarana dia manangana klioba amin’ny sasany amin’ireo hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana. Izany dia mba entin’ireo mpianatra miatrika ireo fifaninanana amin’ny sekoly hafa.

Inona avy ireo vokatsoa azon’ny mpianatra amin’ny fanaovana hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana ?

Matetika ny hetsika ivelan’ny fandaharam-potoana dia atao ivelany lakilasy amin’ny maha fialamboly azy ireny. Ankoatra ny fampihenana ny rarin-tsaina dia maro ireo tombontsoa hafa entin’izy ireny ho an’ny mpianatra. Anisan’izany ny :

Fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpianatra

Manampy betsaka amin’ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialy sy ny fifandraisana eo amin’ny samy mpianatra ny fanaovana hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana. Rehefa mandray anjara amin’izy ireny tokoa mantsy ny ankizy dia lasa mora mahay mifandray amin’ny hafa, indrindra ireo ankizy tia mitokatokana. Manampy betsaka azy ireo ao an-dakilasy ny fahatokisan-tena azony mandritra ny fanaovana ireny hetsika ireny.

Mampianatra ny lanjan’ny filofosana sy ny fandraisana andraikitra

Mampianatra ny ankizy hitsapa ny fahaiza-manaony sy fahaizana mandray andraikitra ny hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana. Rehefa tian’izy ireo tokoa mantsy ilay hetsika ataony dia mahavita milofo tokoa izy ireo hanatratra ny tanjony na handrobaka ny fandresena rehefa anaty fifaninanana. Toetra iray entiny mandra-lehibeny izany fahaizana milofo sy mandray andraikitra ny fahombiazany izany.

Mampifoha sy mampitombo ny talenta

Matetika ny mpianatra dia variana mifantoka amin’ny fianarana ka tsy manam-potoana hikaroka zava-baovao mahaliana azy. Manampy azy ireo hampifoha sy hampitombo ny talenta ao aminy ny fanaovana ireo hetsika ivelan’ny fandaharam-potoana. Anisan’izany ohatra ireo ankizy tsikaritra fa tia ary tena manan-talenta amin’ny fanaovana mozika. Ny hetsika ivelan’ny fandaharam-potoana no manampy azy mandalina izany zavatra tiany izany.

Lire la suite

Articles Similaires