• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ville De Pessac
Image
Asa & Fianarana

Zaza vao hianatra : inona avy ny fiomanana tokony ataon’ny ray aman-dreny ?

26/04/2023 18:22 © Moov.Mg

Anisan’ny adidy iray iantsorohan’ny ray aman-dreny ny fampianarana ny zanany. Raha ampiditra zaza vao hianatra dia misy fiomanana vitsivitsy mila atao mba ampirindra tsara ny fidirana sy ny taom-pianarana. Inona avy ary ireo lafin-javatra mila homanina raha hampiditra zaza vao hianatra ?

Mitady ny sekoly hampidirana ny zaza vao hianatra

Ny fitadiavana ny sekoly hampidirana ny zaza vao hianatra no fanomanana voalohany tokony eritreretin’ny ray aman-dreny. Misy lafin-javatra maro mila dinihina alohan’ny hanaovana ny safidy. Anisan’izany ny saram-pianarana, ny alaviran’ny toerana na koa ny fomba fampianarana ampiarin’ny sekoly. Amin’ny ankapobeny dia somary lafolafo kokoa ny saram-pianarana amin’ireny toeram-pianarana natokana hoan’ny zaza vao mianatra ireny. Tsara foana ihany anefa ny misafidy sekoly iray manana ny lazany amin’ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fikarakarana ireo mpianatra kely vao manomboka mianatra. Rehefa voasafidy ilay toeram-pianarana dia mila manatona eny manontany ny saram-pianarana, ny fitaovam-pianarana homanina ary ny sarany sy ny faranan’ny fisoratana anarana.

Manangona ny fitaovana ilain’ny zaza vao hianatra

Tsy mitovy ny fitaovana ilain’ny zaza vao hianatra sy ireo mpianatra efa somary lehibebe. Matetika ireo zaza vao mianatra amin’ny sekoly dia mandia ny antsoina hoe « préscolaire ». Izany hoe mbola tsy ny fianarana no laharam-pamehana amin’ny tontolo andron’izy ireo. Milalao, matory ary mihinana goûter no ataon’izy ireo. Mety ampianarina mihira sy manao kilalao mampihitatra saina ihany koa izy ireo. Mahazana moa dia ondana kely, fitaovana fidiovana sy fitaovana fandokoana no takian’ny sekoly amin’ny fampidirana zaza vao hianatra. Mazava ho azy fa tsy mitovy daholo ny fomba fampianarana ary mety ho samy manana ny fitaovana ilainy ireo toeram-pianarana tsirairay. Misy lisitry ny fitaovana omen’ny sekoly rehefa avy mandoa ny saram-pisoratana anarana ny ray aman-dreny. Tsy hadinoina ny mividy kitapo kely, fitondrana rano ary akanjo sy kiraro vaovao entina mianatra.

Manomana ara-tsaina ny zaza alohan’ny fidirana mianatra

Hiditra amin’ny ambaratongam-piainany vaovao ny zaza vao hianatra. Hiova avokoa ny fahazarana fanaony amin’ny andavanandro ka mety hiteraka rarin-tsaina ho azy izany raha tsy voahomana tsara ny sainy. Volana maromaro alohan’ny fidirana mianatra dia mila manomboka resahana moramora ny zaza. Ampahafantarina azy fa efa handeha hianatra izy ary tsy hijanona hiaraka amin’i Dada sy Neny fa hiaraka amin’ny mpampianatra sy ny namany vaovao. Lazaina aminy mialoha ny zavatra ho ataony any an-tsekoly, toy ny milalao sy mianatra hira vaovao. Ezahina atao izay hitiavany sahady ny mandeha mianatra ary omena toky izy fa mahafinaritra ny any am-pianarana ary mody ao an-trano rehefa vita ny tontolo andro.

Lire la suite

Articles Similaires