• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vieux-Boucau
Image
Asa & Fianarana

Vide-greniers : manampy amin’ny fanavaozana ny entana ao an-tokantrano

22/04/2023 18:37 © Moov.Mg

Manomboka mahazo vahana eto Antananarivo ny « vide-greniers ». Ity farany moa dia fomba iray ahafahana mitady vola ary afaka manampy ihany koa amin’ny fanavaozana ny entana ao an-trano. Fa inona tokoa moa no atao hoe vide-greniers ? Inona no lafy tsara sy mety ho lafy ratsin’ny fanantanterahina izany ?

Inona no atao hoe vide-greniers ?

Hetsika iray malaza ary efa mahazatra any ivelany ny vide-greniers. Ity farany moa dia miompana amin’ny fivarotana ireo entana na fitaovana tsy ilaina intsony ao an-tokantrano. Raha ny fanaon’ny any ivelany dia hetsika iray lehibe tanterahina eny an-kalamanjana na manamorona ny arabe ny vide-greniers. Maro ireo ankohonana mandray anjara amin’ny fivarotana. Ankoatra ny fivarotana dia afaka atao ihany koa ny fifanakalozana entana. Marihina fa zavatra mbola azo ampiasaina avokoa ireo entana varotana mandritra ny vide-greniers, eny na dia efa tranaina aza.
Efa mihamaro ireo manao vide-greniers eto an-drenivohitra. Mbola amin’ny toerana tsy miankina, toy ny tokontanin’olona na toerana nofaina manokana moa no hanatanterahina izany. Andoavana vola matetika ny fandraina anjara amin’izany ho an’ireo te handray anjara. Anjaran’ireo mpikarakara kosa etsy andaniny ny mampahafantatra ilay hetsika mba hisarihana ireo mpitsidika sy mpividy. Hita amin’ireny vide-greniers ireny avokoa ireo karazana entana sy fitaovana fampiasa ao an-trano. Ny fanaka, fahitalavitra, vata-fampangatsiahana, zavamaneno, fitaovana an-dakozia, haingon-trano ary ny akanjo no anisan’ireo entana fahita matetika amin’ny vide-greniers.

Maro ireo lafy tsaran’ny vide-greniers

Manampy betsaka ireo ankohonana te hanavao ny entana ao an-tokantrano ihany koa ity hetsika iray ity. Amidy amin’izany ny fanaka, ny fitaovana an-dakozia na ireo entana tiana havaozina. Ny vola azo no ampiana kely hividianana entana vaovao.
Marihina hatrany anefa fa ireo entana mbola azo ampiasana no azo amidy amin’ny vide-greniers fa tsy zavatra simba akory. Etsy andaniny, manampy ireo tokantrano maniry hanampy ny entana ao an-trano ny vide-greniers. Ahitana entana maro amin’ny vidiny mirary kokoa izany.
Fomba fitadiavam-bola mahomby ny vide-greniers, na ho an’ireo mpikarakara na ho an’ireo mpandray anjara. Marina fa azo lazaina ho fidiram-bola tselika ihany anefa ity hetsika ity hatreto. Mbola vitsy mpahafantatra rahateo moa izany, eny na dia efa miha mahazo vahana ihany aza. Tsikaritra ihany koa fa ireo olona manan-katao hatreto no mandray anjara amin’izy ireny eto Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires