• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hellowork
Image
Asa & Fianarana

Inona avy ny tombontsoa azo amin’ny fanaovana « stage » ?

14/04/2023 07:07 © Moov.Mg

Dingana lalovan’ny mpianatra ambaratonga ambony ny stage na fianarana ara-kasa. Tanterahina eny amin’ny toeram-piasana mifanaraka amin’ny fianarana ratovina izany ary mety maharitra eo amin’ny herinandro hatramin’ny enimbolana. Fa inona tokoa ary ny tombontsoa amin’ny fanaovana stage ?

Mampahafantatra ny tontolon’ny asa ny fanaovana stage

Fotoana iray ahafahan’ny mpianatra mahita sy mahafantatra bebe kokoa mahakasika ny tontolon’ny asa ny fanaovana stage. Hoan’ireo mpianatra ao anatin’ny dingana voalohany sy faharoa dia miompana amin’ny fampahafantarana ny fiainana amin’ny toeram-piasana ny stage. Izany hoe, ireo lalàna mifehy ny tontolon’ny asa, ny firafitry ny toeram-piasana sy ny ambaratonga misy ao aminy, ny fiarahamonina ao am-piasana, ny fomba amam-panao tokony hananana rehefa miasa… Ireo mpianatry ny dingana fahatelo no miakatra dia efa mirona kokoa amin’ny fahalalana ny sehatr’asa sy ny fianarana ny asa amin’ny ankapobeiny ny fanaovana stage.

Mameno sy manamafy ny fianarana norantovina ny fanaovana stage

Ny fanaovana stage no fomba iray mameno sy manamafy ny fianarana norantovina nandritra ny taom-pianarana rehetra. Eny amin’ny toeram-pianarana tokoa mantsy no hianarana ireo lesona sy fahalalana ilaina hiatrehana ny tontolon’ny asa. Mandritra ny stage kosa no ahafahana manamafy sy mampiatra azy ireny. Tsy ampy tokoa mantsy raha ny lesona ara-teorika no entina manatanteraka ny asa eny amin’ny toeram-piasana. Ilaina tokoa izy ireny, kanefa mila hianarana ny fampiharana azy ireny eo amin’ny tontolon’ny asa. Izany indrindra no tanterahina rehefa manao stage. Mba hampahomby izany moa dia ezahina atao amin’ny toeram-piasana sy sehatr’asa mifandraika amin’ny fianarana na fiofanana natao no hanatanterahana ny fianarana ara-kasa.

Mampitombo ny tambanjotra amin’ny lafiny ara-kasa

Manampy betsaka amin’ny fampitombona ny tambanjotra amin’ny lafiny ara-kasa ny fanaovana stage. Ny fifaneraserana sy ny fifandraisana amin’ny mpiara-miasa anaty sy ivelan’ny toeram-piasana dia mety hanampy betsaka amin’ny fitadiavana asa any aoriana. Mety ho ilaina ihany koa izany amin’ny lafiny fiaraha-miasa rehefa tafiditra tsara ao anatin’ny tontolon’ny asa. Misy fotoana ihany koa ny mpianatra ara-kasa mety mahazo fanasana amin’ireny hetsika miompana amin’ny asa ireny. Afaka mifampiresaka amin’ny olona maro misehatra amin’ny sehatr’asa mahaliana azy ary mety hahazo asa mihintsy aza.

Ireo torohevitra ahitana stage

Iaraha-mahalala fa tsy mora tokoa ankehitriny ny fitadiavana stage eto Madagasikara. Ny mpianatra dingana voalohany sy faharoa moa no tena voakasik’izany. Mba hahamora ny fitadiavana fianarana ara-kasa dia mila miomana volana maromaro mialoha. Izany hoe amboarina mialoha ny CV sy ny taratasy fangatahana fanaovana stage ary tonga dia mametraka izany eny amin’ny toeram-piasana maro. Lazaina ao anatin’ny taratasy fangatahana stage ny fotoana hahafahana manatanteraka izany. Efa misy ihany koa ankehitriny ny “Pole Stage Madagascar” na PSM izay miara-miasa amin’ny toeram-piasana maro eto amin’ny Nosy. Tsara ny manantona izany mba hahazo fanampiana amin’ny fitadiavana stage.

Lire la suite

Articles Similaires