• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Noyal-Muzillac
Image
Asa & Fianarana

Te hiasa tena ? Inona avy ireo toe-tsaina tokony hananana ?

11/04/2023 15:08 © Moov.Mg

Tsy te hiasa aman’olona na amin’ny orinasa intsony ve ianao ? Maniry ny hiasa tena sy hananana falalahana amin’ny fitadiavam-bola ? Alohan’ny hirosonao dia ireto ary misy torohevitra mikasika ny toe-tsaina tokony hananana hahombiazana amin’izany.

Mila mahaleotena raha te hiasa tena

Tsy tokony mbola miroso amin’ny asa tena raha tsy mahay mahaleotena amin’ny lafiny ara-kasa. Sarotra tokoa ny fananganana orinasa na ny fanaovana asa tena raha mbola miantehitra amin’ny hafa amin’ny fanatanterahana ny asa atao. Mila fehezina ny sehatra hidirana vao miroso amin’ny fanaovana asa-tena. Tsy manakana ny fangalana mpiara-miasa akory izany. Ilaina kosa anefa ny fahaizana manao ny asa mba tsy hiankin-doha amin’ny hafa. Izany hoe, mila vitanao ny mampiodina ilay asa-tena na tsy eo aza ny mpiara-miasa aminao.

Mila mahafehy zavatra maro

Ho fanamafisana ny fananana fahaleovantena ara-kasa ny fahafehezana zavatra maro. Raha te hiasa tena ianao dia mila hainao avokoa ireo lafin-javatra rehetra mampiodina ny asana. Izany hoe raha hanangana orinasa fanaovana asa-tanana ohatra dia mila mahay mivarotra, mitantambola, mitantana mpiasa… ankoatra ny fahaizana ilay asa-tanana. Raha misy lafin-javatra mbola tsy voafehy dia tsy tokony hisalasala mihintsy ny hanaraka fiofanana.

Manana fikirizana sy faharetana

Maro ireo olona niroso tamin’ny asa tena no tsy nahomby tamin’izany. Tsy vitsy ireo nanana hevitra sy tetikasa tena tsara nefa nanadaboka izany. Ny antony ? Tsy ampy fikirizana sy faharetana. Tsy mora tokoa ny fanaovana asa tena. Mandalo zava-tsarotra maro, toy ny tsy fahitana lalam-barotra, tsy fahampiana ara-bola, havizanana ara-tsaina sy ara-batana… Lalana tsy maintsy diavina anefa matetika izy ireny rehefa miasa tena. Mila atao matanjaka tsara ny saina mba tsy ho mora kivy satria na dia tsy maintsy misy aza ny olana dia tadidiana hoe mandalo ihany izany.

Manana fahazotoana sy fahaizana mandamina fotoana

Toetra roa ilaina raha te hiasa tena ny fahazotoana sy ny fahaizana mandamina fotoana. Rehefa miasa tena tokoa mantsy dia ny asa vita sy lafo no hahazoana vola. Tsy misy intsony ny hoe karama isam-bolana andrandraina fa rehefa tsy mandeha ny asa dia kely ny vola miditra. Indraindray mety ilaina ny miasa mihoatra ny adiny valo raha misy asa enjehina. Misy fotoana mety miari-tory mba hampandeha ny asa atao. Izany indrindra ny ilàna ny fahaizana mandamina fotoana. Alamina arak’izay ilain’ny asa ny fotoana hakana aina, hiarahana amin’ny ankohonana, hiofanana raha ilaina…

Lire la suite

Articles Similaires